Mampiahiahy fa toy ny trangan’aretina pesta no nahafaty ireo olona roa ao Ikalamavony. Tsy mbola voaporofo anefa izany fa manohy ny fitiliana sy ny fanadihadiana ireo tompon’andraikitra eny ifotony. Nisy olona roa namoy ny ainy vokatry ny trangan’aretina mampiahiahy tao amin’ny tanànan’Ambalamanantsara, fokontany Ivozona, kaominina Mangidy ao amin’ny distrikan’ Ikalamavony, […]
Fiaraha-monina
Nilalao teo amoron-drano : ankizivavy iray lanin’ny voay
Tsy hita popoka, lanin’ny voay ny ankizivavy iray 14 taona, monina ao Vohilava, distrikan’i Farafangana, afakomaly hariva. Nilalao teo amoron-dranon’i Manampatra, kaominina Vohilava, distrikan’i Farafangana ireo ankizivavy maromaro tamin’io fotoana io. Nampandre ny manodidina ireo namany ireo fa lanin’ny voay ilay ankizivavy ka tsy hita ny misy azy. Nanamarina ny […]
Vangaindrano : nodorana ireo rongony 22 kilao
Nodorana nanoloana ny biraon’ny sefo distrika tao Vangaindrano ireo rongony 22 kilao, omaly maraina. Tratran’ ny zandary tany anaty ala Agnandrembahy, fokontany Morondava, kaominina Nosifeno Midongy Atsimo, ny 11 desambra teo, ireo zava-mahadomelina ireo. Voarohirohy tamin’io ny lehilahy 20 taona iray nitondra gony roa feno rongony. Natolotra ny fitsarana izy […]
Saropody: tratra ireo mpanao masobe tsy mahita
Hatolotra ny fampanoavana ireto jiolahy telo tratran’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa eny Ambohijatovo (CSP2) teny Saropody Androndra, omaly ireto. Malaza amin’ny vaky trano sy trafikana zava-mahadomelina ry zalahy ireto. nampiahiahy ny polisy ny fihetsik’izy telo lahy ireto ka niroso tamin’ny fisavana izy ireo. vola madinika, fitaratra, ranomanitra, […]
VIH/Sida : manodidina ny 1.000 ireo olona vaovao mitondra ny tsimokaretina
Nandritra ny resaka natao tamin’ny tompon’andraikitry ny CNLS, omaly no nahafantarana fa misy olona 1.000 vaovao heverina ho mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida eto Madagasikara. Manentana ny olona amin’ny fanaovana fitiliana sy ny faharetana amin’ ny fihinanana fanafody izy ireo mba hanamora ny fanaraha-maso ny fahasalamana. Miisa 10 837 ihany koa […]