Fiaraha-monina

Nilalao teo amoron-drano : ankizivavy iray lanin’ny voay

Tsy hita popoka, lanin’ny voay ny ankizivavy iray 14 taona, monina ao Vohilava, distrikan’i Farafangana, afakomaly hariva. Nilalao teo amoron-dranon’i Manampa­tra, kaominina Vohilava, distrikan’i Farafangana ireo an­kizivavy maromaro tamin’io fotoana io. Nampandre ny manodidina ireo namany ireo fa lanin’ny voay ilay ankizivavy ka tsy hita ny misy azy. Nanamarina ny […]

Vangaindrano : nodorana ireo rongony 22 kilao

Nodorana nanoloana ny biraon’ny sefo distrika tao Vangaindrano ireo rongony 22 kilao, omaly maraina. Tra­tran’ ny zandary tany anaty ala Agnandrembahy, fokontany Morondava, kaominina No­sifeno Midongy Atsimo, ny 11 desambra teo, ireo zava-ma­hadomelina ireo. Voarohirohy tamin’io ny lehilahy 20 taona iray nitondra gony roa feno rongony. Natolotra ny fitsarana izy […]

Saropody: tratra ireo mpanao masobe tsy mahita

Hatolotra ny fampanoavana ireto jiolahy telo tratran’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa eny Ambohijatovo (CSP2) teny Saropody Androndra, omaly ireto. Malaza amin’ny vaky trano sy trafikana zava-mahadomelina ry zalahy ireto. nampiahiahy ny polisy ny fihetsik’izy telo lahy ireto ka niroso tamin’ny fisavana izy ireo. vola madinika, fitaratra, ranomanitra, […]

VIH/Sida : manodidina ny 1.000 ireo olona vaovao mitondra ny tsimokaretina

Nandritra ny resaka natao tamin’ny tompon’andraikitry ny CNLS, omaly no nahafantarana fa misy olona 1.000 vaovao heverina ho mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida eto Madagasikara. Manentana ny olona amin’ny fanaovana fitiliana sy ny faharetana amin’ ny fihinanana fanafody izy ireo mba hanamora ny fanaraha-maso ny fahasalamana. Miisa 10 837 ihany koa […]

Ady amin’ny Sida: nilaza ho tsy nanodinkodim-bola ny CNLS

Nandritra ny fihaonan’ny komitim-pirenena momba ny ady amin’ny Sida na ny CNLS tamin’ny mpanao ga­zety, omaly, dia niaiky izy ireo fa nisy tsy fahatomombanana ny lafiny fitantanana saingy tsy nisy kosa ny fanodinkodinam-bola. Nilaza ho vonona amin’ny fiatrehana ny fanadihadiana ataon’ny “Inspection générale de l’Etat” (IGE) ireo mpitantana ao amin’ny […]