Toy izao indray ny tatitra mikasika ny vokatry ny fitiliana ny valan’aretina Covid-19 tao anatin’ny herinandro, ny 11 hatramin’ny 17 febroary lasa teo. Miisa telo ireo tranga vaovao eto amin’ny faritr’Analamanga, raha ny tatitra omaly. Fantatra fa miaina ao anatin’ny trangana fahasarotana ny olona iray amin’ izy ireo. Efa manaraka […]
Fiaraha-monina
Meteo, BNGRC : hentitra amin’ny fampihenana ny fiantraikan’ny loza
Nivory maika ny foibe famantarana ny toetry ny andro sy ny BNGRC niaraka tamin’ny mpiara-miombon’ antoka nametraka ny paikady hanalefahana ny fiantraikan’ny loza amin’ny fandalovan’ilay rivodoza Freddy, voalaza fa tena mahery vaika. Nandray anjara feno koa tamin’ny alalan’ny dinika nampitain-davitra ireo tompon’andraikitra eny ifotony amin’ireo faritra vinavinaina ho voakasiky ny […]
SSM – Sosialin’ny mpiasa : “Vahao ao anatin’ny iray volana ny olanay”
Nihaona teny Antsahamanitra ireo mpiasa mivondrona ao amin’ny SSM (Solidarité syndicale de Madagascar), afakomaly. Nandinika ny fitakiana ireo sosialin’ny mpiasa sy niarahaba tratry ny taona izy ireo, tamin’izany. Nitaky ny hisian’ny tombotsoa iraisana eo anivon’ny mpiasam-panjakana ihany koa. Manome iray volana ny fanjakana izy ireo hamahana ireo olana ireo. Tokony […]
DEAH : “Mbola maro ny manary diky anaty lakandrano”
Marobe ireo tokantrano manary diky any anaty lakandrano eto Antananarivo. Miharihary izany eny Isotry sy Andranomanalina iny. Nijery ifotony ny DEAH. Hiditra amin’ny fanasaziana atsy ho atsy. Nidina ifotony teny Andrefan’Ambohijanahary ny fitaleavana misahana ny rano fidiovana sy fahadiovana (DEAH) avy eo anivon’ny CUA ny faran’ny herinandro teo. Maro loatra […]
Tangalamena ao Andilamena: tsy manaiky ny hanesorana ny kaomandin’ny kaompania
Nilaza tsy hanaiky ny fanesorana ny kaomandin’ny kaompania ny zandarimariam-pirenena, ny fikambanan’ny Tangalamena ao Andilamena manoloana ny fihetsika ataon’ny tomponandraiki-panjakana ao an-toerana… Nivoaka tao anatin’ny fanambarana nataon’ireo raiamandreny Tangalamena ao amin’ny distrikan’ Andilamena ny tsy faneken’izy ireo ny hanesorana ny kaomandin’ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena. “Tao anatin’ny telo taona nifanesy, nisy ny […]