Fiaraha-monina

Fivarotana lasopy mandehandeha: misy ireo tsara kalitao sy ara-pahasalamana

Maro samihafa ireo mpivarotra hani-masaka hita eny rehetra eny. Tsy mifidy toerana intsony fa ahitana azy ireny avokoa rehefa toerana be olona. Mba ho fitsinjovana ny fahasalamana anefa, ilaina hatrany ny mifidy ny tsara kalitao. Nandritra ny enin-taona izay no niseharan’ity raim-pianakaviana ity teo amin’ny fivarotana lasopy. Dingana maro no […]

Fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza : nitety ny asa any atsimo i Reena Ghelani

Tamin’ity herinandro ity, nidina tany atsimon’ny Nosy, nitety ireo asa tohanan’ny mpamatsy vola sy ireo mpiara-miombon’antoka ny iraky ny Firenena mikambana tarihin’ny sekretera lefitra, i Reena Ghelani. Notarihin’ny tale je­neralin’ny BNGRC ireo ekipa nanao fitetezam-paritra. Nisantarana ny dia ny fitsidihana ny Start Network ao Anjataoka 3. Nanazava ny tombontsoa azony […]

Marins pompiers de Marseille : nampiofana ny mpamonjy voina

Nampiofana sy nifampizara traikefa ireo sampana mpamonjy voina ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny avy ao amin’ny Marins Pompiers de Marseille tamin’ity herinandro ity. Mahakasika ny fitantanana sy ny fahaiza-manao amin’ny famonoana afo no tena votoatin’izany. Misy ihany koa ireo fitaovana maromaro hoentina hiarovana amin’ny afo izay nanampian’ny Marins […]

Fanadinana CEPE : manomboka ny fisoratana anarana

Efa mitombo ny isan’ny olona mangataka taratasim-panjakana eny amin’ny biraon’ny boriborintany hikarakarana fanadinana fa misokatra ny fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana. Efa nisokatra ny alatsinainy 22 janoary teo ny fotoana fisoratana anarana ho amin’ny fanadinam-panjakana voalohany, CEPE, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Mbola ny 22 marsa ho avy izao […]

Holafitry ny mpanao gazety : mitohy ny fiaraha-miasa amin’ ny Agence Dujardin Delacour&Cie

Miray vina sy tanjona eo amin’ny sehatry ny haino vaky jery amin’ny alalan’ny haitao ara-kajy mirindra ny roa tonta. Fahombiazana no azo ilazana ny roa taona niarahana niasa, araka ny nambaran’ny mpitantana roa tonta. Tontosa, omaly, teny amin’ny birao fiasan’ny Ordre des journalistes de Madagascar (OJM), Am­bohidahy, ny fanavaozana ny […]