Fiaraha-monina

Fiantsonana : havaozina isan-taona ny an’ny taxi sy olon-tsotra

« Tsy maintsy havaozana isan-taona ny toeram-piantsonana rehetra na ho an’ny taxi na ho an’ny olo-tsotra eto Anta­nanarivo », hoy ny tale jeneralin’ny orinasa monisipaly misa­hana ny fitantanana ny parking (SMGD), Andriamananony Thierry, raha nanontaniana teny Analakely, omaly. Voakasik’ izany fanavaozana izany, ny fampihenana ireo fiara afaka miantsona eny amin’ny toerana voatondro. […]

Fifamoivoizana eto Antananarivo: manamafy ny fandaminana ny polisy monisipaly

Mitohy hatrany ny fandaminana ny fifamoivoizana sy fanalana ireo mpivarotra tsy ara- dalàna ataon’ny polisy monisipaly… Nanamafy ny asa fandaminana efa fanaony andavanandro ny polisy monisipaly amin’izao fotoana izao. Ambohijatovo, Antanina­renina, Behoririka, Anosy ary Analakely manoloana ny Lycée Rabearivelo, ny toerana be olona sy ahitana fitohanana no tena hanaovana izany […]

Peace corps Madagascar : mpilatsaka an-tsitrapo 23 tonga hiasa

Mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina na Peace corps miisa 23 mianadahy indray no tonga manatevin-daharana ireo namany. Tonga omaly teto amintsika izy ireo hian­tsehatra amina karazana asa sosialy any amin’ireo toerana tena mila izany. Hiatrika fiofanana momba ny teny sy ny kolontsaina mandritra ny 12 herinandro izy ireo mialohan’ny hiparitahany any amin’ny […]

Fampiarahana ny fianarana sy ny asa : hampiharina amin’ny taom-pianarana 2023-2024

Vinavinaina hampiharina eto amintsika manomboka amin’ny taom-pianarana 2023-2024 ny fampiarahana ny fianarana sy ny asa (ATE) ao ana­tin’ny fandaharanasa « Jeunesse Malagasy compétence-tra­vail » (JMCT) tohanan’ny go­vernemanta kanadianina sy ny oniversite Trois Rivières ary ny AUF. Novoriana ny sekoly hampiharana ny ATE sy ny minisitera voakasika ary ny sehatra tsy miankina handray […]

Fimpizoa : 812 ny mpivarotra mpikambana

Notanterahana ny alarobia lasa teo tao amin’ny Tranom-pokonolona Analakely ny fihaonambe voalohan’ireo mpivarotra amoron-dalana ao amin’ny Fikambanan’ny mpivarotra zone Analakely (Fim­pizoa). Nampahafantarin’ny filohan’ny fikambanana ireo mpikambana ny fijoroan’ny fikambanana ara-dalàna, teo ihany koa ny fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ ny kaominina ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny CUA sy ny fikambanana. Nisy koa […]