Fiaraha-monina

Orange solidarité sy ny Fondation BOA: nanolotra fitaovana ho an’ny fikambanana Avana

Nanome fitaovana informatika sy ny kojakoja miaraka aminy ho an’ny fikambanana Avana ny Orange solidarité sy ny Fondation BOA, omaly, teny Androhibe. Fikambanana mandray ireo ankizy autiste tsy afaka manaraka fampianarana mahazatra any an-dakilasy ny Avana ary manome fanabeazana mifanaraka amin’ny toe-tenan’ny ankizy raisina an-tanana ao. Ankoatra ny fampianarana ny […]

Fitsarana sy famonjana: hivoaka ny boky torolalana hisorohana ny kolikoly 

Hivoaka amin’ny volana desambra izao ny boky torolalana hisorohana sy iadiana amin’ny kolikoly eo amin’ny tontolon’ny famonjana eto Madagasikara, araka ny tari-kevitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny zon’olombelona (CNIDH). Efa ao anatin’ny atrikasa famaranana ny famolavolana ny boky ny tomponandraikitra, amin’izao fotoana izao any Antalaha. Mandray anjara ny tomponandraikitra eny […]

Kaominina Ampanihy: ankizy 10 amin’ny 50 ihany no mianatra

Zon’ny ankizy ny mianatra ankoatra ny zony hilalao, raha ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’ny ankizy maneran-tany.  Mbola mila ezaka goavana anefa ny fanajana ny zon’ny ankizy any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy iny. Ho an’ny ao amin’ny kaominina an-drenivohitr’Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana, ankizy 10 amin’ny 50 ihany no hany mianatra, […]

Famantarana ny soratraretina: tonga ny fitaovam-pitarafana IRM ao amin’ny IMM

Tsy mitsahatra mivoatra ny fitsaboana sy ny fitarafana ary hanampy ny mpitsabo sy ny marary ny fahatongavan’ny fitaovam-pitarafana IRM ao amin’ny IMM Anosy.  Fitaovam-pitarafana avo lenta mampiasa andriamby lehibe ny IRM (imagerie par résonance magnétique) ary ny rano ao amin’ny vatana no ampiasainy ka avokany ho lasa sary. 40 taona […]

Fikoloana endrika amam-bika: hanome kalitao avo lenta ny tanora mpandraharaha 

Miroso manome tolotra avo lenta ho an’ny mpanjifa ny mpandraharaha tanora amin’izao fotoana izao. Mitaky fahasahiana sy fahavononana anefa izany satria ilana fahaiza-mitantana  mba haharitra ilay fandraharahana atao, hoy i Francia Martinez. Nisehatra tamin’ny fandraisam-bahiny sy ny fizahantany tany ivelany (Frantsa- Thailande…) izy teo aloha fa niverina an-tanindrazana ary nisafidy […]