Nigadona ao Mahajanga, omaly, ny fanafody hanampy ny efa any an-toerana hiatrehana ilay valanaretina mahazo ny maso any an-toerana. Mahasahana marary miisa 2 500 izany miaraka amin’ny kojakoja fototra ilaina amin’ny fandraisana an-tanana ny marary. Menamena ny maso, malailay, mangidihidy, misy taimaso. Toy izany ny fiandohan’ny aretina. Mety hahazo ny […]
Fiaraha-monina
Fokontany Andranomanalina I…. : lakandrano 800 m nodiovina
Nifarimbona ny mpiasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Rafitra fikojana ny rano, fahadiovana sy fidiovana (RF2) nanadio lakandrano. Notanterahina teny amin’ny fokontany Andranomanalina I, Andranomanalina Isotry ary Ambalavao Isotry izany, omaly. Lakandrano mirefy 800 m no voadio. Fako, fotaka, diky no nesorina sy nosikirina tamin’izany. Tanjona ny hahafahan’ny rano mikoriana […]
Ny inspektera Ranjaharimalala Raharinoely Sophie : handray anjara amin’ny « FBI National Academy Program »
Hanamafy traikefa any Etazonia ny inspektera Ranjaharimalala Raharinoely Sophie. Hanatsara ny fomba fiasa eo anivon’ny polisim-pirenena eto Madagasikara izy rehefa tafaverina. Voafantina handray anjara amin’ny “FBI National Academy Program” ao Quantico, any Etazonia, ny inspektera Ranjaharimalala Raharinoely Sophie. Toeram-piofanana anisany manan-danja indrindra amin’ny fampiharana ny lalàna ny ao Quantico. Miisa […]
Areti-maso ao Mahajanga : tsy alefa any an-tsekoly ny mpianatra marary
Nanao fanentanana, omaly, ny talem-paritry ny Fahasalamana ao Boeny, Hoasy Solange, sy ny governoran’ny faritra, Mokhtar Salim, mahakasika ny fihanaky ny areti-maso ao Mahajanga. Nentanina, araka izany, ny ray aman-drenin’ny mpianatra mba tsy handefa ny zanany any an-tsekoly raha tsy efa tena sitrana mba tsy hamindra amin’ny ankizy hafa. Toraka […]
Apipa : mitohy ny fanadiovana lakandrano
Nitondra fanazavana ny talen’ny Apipa momba ny fanadiovana ny lakandrano amin’izao vanim-potoanan’ny fahavaratra izao. Nirotsahana avy hatrany ny eny amin’ny fokontany IIIG Hangar, eny amin’ny charbon Ramanandraibe sy i Sainte Marie kely, izay tena nahitana fakobe niteraka fitohanana. Natao ihany koa ny eny amin’ny Dallot ambanin’ny RN58a. toraka izany, ny […]




