Fiaraha-monina

FITSIPIKY NY FAHADIOVANA : tsy ny fako rehetra no azo ariana anaty dabam-pako

Hentitra ny CUA amin’ny fampanajana ny lalàna efa napetraky ny CMH momba ireo karazam-pako tsy tokony hariana eny amin’ny dabam-pako eny anivon’ny fokontany. Iharan’ny sazy ireo minia manao izany. Namerina nampahatsiahy ny kaominina An­tananarivo Reni­vohitra mahakasika ireo karazam-pako tsy tokony hariana eny amin’ny dabam-pako iombonana eny anivon’ny fokontany. Efa voarakitra […]

Toy ny isan-taona : fankalazana ny Andron’ny manamboninahitra

Toy ny fanao isan-taona, rahampitso ny fankalazana ny Andron’ny manamboninahitra. Samy hiara-hankalaza izany avokoa ny manerana ny faritra rehetra. Nanao fampilazana ho an’ireo mponina manodidina ny toby miaramila rehetra voakasik’izany ny tomponandraikitra eo anivon’ny fibaikoana ny mpitandro filaminana mba tsy ho taitaitra. Anisan’izany ny eto an-drenivohitra, toy ny eny amin’ny […]

Atsimo Atsinanana sy Atsimo Andrefana : traboina 6 764 novatsin’ny Amerikanina sakafo

Ho fanavotana ireo traboina vokatry ny fandalovan’ilay rivodoza Alvaro teo, nanome tolo-tanana i Etazonia, amin’ ny alalan’ny USAID sy ny PAM, hiaraha-miasa amin’ny BNGRC. Nanampy tamin’ny fanombanana sy fizarana fanampiana izy ireo. Nomena vary, menaka ary sakafo be otrikaina milanja 4,7 taonina avy amin’ny USAID, ireo olona nafindra toerana miisa […]

Sampana mpamonjy voina : vonona amin’izay loza mety hiseho

Nampahafantatra ny sampana mpamonjy voina ao amin’ ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa amin’izao vanim-potoanan’ny orana izao dia mety hisy ireo hazo ahiana hidaraboka ka mety hampidi-doza. Nanentana, araka izany, ny CUA mba hampandre haingana ny sampana mpamonjy voina amin’ny laharana 118 raha vantany vao mahita tranga mifanaraka na mampiahiahy. Ny […]

Analamanga: efa ahitana trangana areti-maso conjonctivite

Napetraka ny fepetra sakana rehetra eny amin’ny tobim-piantsonan’ny fiarakodia mba tsy hampiparitaka ilay areti-maso. Na izany aza, efa misy tratran’io aretina io eto Analamanga. Araka ny resaka nifanaovana tamin’ny tomponandraikitra ao amin’ny fitaleavam-paritry ny Faha­salamana eto Analamanga, efa tonga eto Antananarivo ilay areti-maso conjonctivite. Efa misy ny trangan’aretina ary efa […]