Mitombo isan’andro ny isan’ny olona maty sy ireo tra-boina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Dibo-drano avokoa ny voly rehetra ao amin’ny distrikan’i Morombe. Folo ny olona namoy ny ainy, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro, efatra any Beroroha, telo Manakara, iray Vohipeno, iray any Manja ary iray hafa any Ikongo. 25 […]
Fiaraha-monina
Lalana nihotsaka Mahazengy: efa misokatra ho an’ny fiara rehetra ny RN7
Nanao ny ezaka rehetra ny minisiteran’ny Asa vaventy, mamerina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7). Nandray andraikitra avy hatrany ny minisitry ny Asa vaventy, ny kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja Livah, nidina any Fianarantsoa raha vao nandre ny fahatapahana. Efa misokatra ho an’ny fiara rehetra ny lalana eo amin’ny PK 416+300, mandalo […]
Fihetsehan’ny tany-Japon: 62 maty, 300 naratra
62 ny maty, 300 ireo maratra, vokatry ny fihetsehan’ny tany, ny fiandohan’ny taona teo, tany Japon, araka ny filazam-baovao avy amin’ny departemanta Ishikawa, omaly. Tombanana mbola hitombo io isa io, satria misy ny toerana saro-dalana any ambanivohitra sady manampy trotraka ny toetry ny andro ratsy, misy orana, ka miteraka fihotsahan’ny […]
Takaitran’ny rivodoza Alvaro: dimy ny maty, 16 290 ireo tra-boina amin’ny fianakaviana 4 626
Mavesatra ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Nisy dimy ny aina nafoy ary nitombo ho 16 290 ireo tra-boina. Faritra dimy no voakasiky ny takaitra teo amin’ny faharavana fotodrafitrasa maro. Dimy no maty vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Iray tao amin’ny distrikan’i Beroroha ary telo hafa tao amin’ny distrikan’i Manakara ary […]
Fiatrehana ny taom-baovao : nanampy ireo marefo ny antoko Hiaraka isika
Tsy nanadino ireo tokantrano marefo ny antoko Hiaraka isika amin’izao fiatrehana ny taona vaovao izao. Naneho ny fifampitsinjovana ho mariky ny fihavanana sy amin’ny maha antoko maneho firaisan-kina eo amin’ny samy mpiara-belona azy ny mpiara-dia amin’ny Jly Camille Vital. Nisitraka asa sosialy avy amin’izy ireo, tamin’ny alalan’ny mpandrindram-paritry ny Hiaraka isika, […]




