Fiaraha-monina

Kaominina Ampanotokana : efa salama ireo noahiana ho voan’ny pesta

Tapitra ny 30 desambra teo ny fihibohana natao ta­min’ireo mponina tao amin’ny fokontany Androhibe, kaominina Ampanotokana, dist­ri­kan’Ambohidratrimo. Efa afa­ka mifamezivezy ny mponina satria voafehy ny aretina izay nampiahiahy toy ny trangana pesta ka nahafaty olona dimy tao an-toerana. Nisy tamin’ireo mpivady… Afaka misokatra, araka izany, ny sekoly amin’ny fidiran’ny mpianatra […]

Fanaovana vaksiny BCG: ho avy tsy ho ela ny fitaovam-panindromana manokana

Tsy manakana ny fanohizana ny fanatanterahana ny vaksiny hafa rehetra tokony hositrahin’ny zaza ny tsy mbola fisian’ny fitaovam-panindromana eny amin’ny CSB. “Efa ho avy tsy ho ela ny fitaovam-panindromana ilaina amin’ny fanaovana ny vaksiny BCG tokony hataon’ny zaza vao teraka ka hatramin’ny iray volana ahaterahany. Misy sy ampy ny tahirim-baksiny […]

Raharaha fakana an-keriny: Olona 155 voasambotra tao anatin’ny herintaona

Mitotaly fito ny trangana fakana an-keriny voarain’ny zandarimaria avy amin’ny vondrom-tobim-paritr’Ime­rina “central” ny taona 2022. Tao anatin’izany, olona miisa 155 voasambotra raha olona miisa enina kosa no tra-tehaka tamina sarintsarina fakana an-keriny. Nihena kosa anefa ity trangana fakana an-keriny ity raha oharina tamin’ny taona 2021. Miisa 15 ny tranga voaray […]

Toy ny fanaony isan-taona : manatona mirary soa ireo polisy ny minisitra

Toy ny isan-taona, apetraky ny minisitry ny Filami­nam-bahoaka (MSP) ho soatoavina ny fidinany miaraka amin’ireo mpiara-miasa ami­ny miarahaba sy mirary soa ny polisim-pirenena eny amin’ny toeram-piasana misy azy avy. Nanombohana izany ny Hery vonjy taitran’ny polisy eny Antanimora, nitohy teny amin’ny commissariat central Tsaralalana, teny amin’ny mi­nisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy, teny […]

Taona 2023 : manantena filaminana ny vahoaka

Taona vaovao 2023, ma­nantena fiainana tsara kokoa sy hiaina anaty filaminana ny ankamaroan’ny olona nanaovana fanadihadiana. Mba hahafahana miatrika am-pifaliana sy am-pitoniana ny asa, ny adidy ary ny andraikitry ny tsirairay. Fa irin’ny olona koa ny mba hisian’ny fivoaram-piainana sy fahasalamana ary fahombiazana eo anivon’ny tokantranony tsirairay avy. “Apetraka dieny […]