Fianakaviana amin’ny tokantrano maro ao amin’ ny distrikan’i Bekily, Ampanihy, Betroka sy Amboasary Atsimo no manana olana amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Efa tena miaina ambany fetran’ny fahantrana tanteraka izy ireo raha ny tatitra niraisan’ny sehatra samihafa manara-maso ny fanjarian-tsakafo «Sécurité Alimentaire Nutrition et Alerte Précoce». Raha ny antontanisa dia tokantrano 8 […]
Fiaraha-monina
Misafoaka ny Seces : mampiharihary ny fitsarana miangatra ny fanamelohana ny talen’ny Crou-A
Tsy nitsitsy fitenenana ny Seces sampana Antananarivo naneho ny alahelony manoloana ny fanasaziana tsy am-piheverana ny talen’ny Crou-A. Manaporofo ny fitsarana miangatra sy ny fampanjakana ny gaboraraka eny amin’ny oniversite ny zava-misy. Manaratsy endrika ny fitondrana ny tranga toy izao, hoy ny Seces. Mitroatra ny Sendikan’ny Mpampianatra-Mpikaroka sy Mpikaroka-Mpampianatra, Sampana […]
Eto afovoan-tany : hanevokevoka ny andro mandritra ny fety
Nilaza ny mpamantatra ny toetry ny andro fa hahazo toerana ny rivotra maina sy mafana ho an’ny afovoan-tany sy ny ilany atsinanana manditra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao. Saika hitoetra any amin’ny ilany andrefana kosa ny oram-baratra rahampitso mamarana ny taona. Tsy ahiana loatra ny hisian’ny toetr’andro mahery […]
Campus- Barikadimy : hoesorina ny mpianatra mandritra ny fanamboarana
Efa hatramin’ny 22 desambra lasa teo no nisian’ny fanambarana avy tamin’ny “service des oeuvres” eo anivon’ny oniversiten’i Barikadimy, Toamasina fa tokony hiala ny trano misy azy ny mpianatra rehetra. Hisy ny fanamboarana sy fanarenana ireo fotodrafitrasa, toy ny trano fonenana, izay misy fahasimbana nohon’ny fahanterana. Eo koa ny simba vokatry […]
ONG Merci : asa mendrika ho an’ny olona manana fahasembanana
Nikarakara hetsika lao-bary an-dasy ho an’ny olona manana fahasembanana ny ONG Merci, omaly, tetsy Faravohitra. Nampitondraina ny lohahevitra hoe : “asa mendrika ho an’ny olona manana fahasembanana, manome lanja ny zony hiasa mitovy amin’ny olon-drehetra”. Misedra olana maro eo amin’ny sehatry ny asa ny olona manana fahasembanana eto Madagasikara. Anisan’ […]