Fiaraha-monina

Alahadin’ny tenin’Andriamanitra Iainana fa tsy vakiana fotsiny ny soratra masina

Alahadin’ny tenin’Andria­manitra! “Tsy vakiana fotsiny ny tenin’Andriamanitra fa iainana” hoy i Masera Seheno, tompon’andraikitra eo an­ivon’ny librairie Md Paoly. Nankalaza ny andron’ny tenin’Andriamanitra ny fiangonana Katolika ny asabotsy teo. Natao teny Analakely izany ka nampisehoana hetsika maro. Anton’ny hetsika ny hanampiana ny olona mba hiomana sy hiaina tsara kokoa ny […]

Mitohy ny andro ratsy : hikija ny orana, hiakatra ny renirano

Mbola mitohy ny andro ra­tsy hatramin’ny alakamisy. Mi­­sy ny fikorontanana noho ny rivotra mafy mahatratra 55km/ ora, arahina tafiotra 65 km/ora. Misy izany ny any avaratra an­dre­fana, afovoany an­dre­fana ary atsimo atsinanan’ny Nosy ha­­try ny omaly. Hiteraka fanelingelenan’ny fahitana sy fahasarotan’ny fifamoivoizana an-dra­nomasina izany. Voaka­sik’ izany ny eo anelanelan’An­a­la­la­­va sy Morondava […]

Taom-baovao sinoa: niditra amin’ny taonan’ny bitro

Nankalazaina omaly ny taom-baovaon’ny sinoa. Ni­fa­rana ny taonan’ny tigra. Miditra amin’ny taonan’ny bitro ny taona vaovao 2023 ho azy ireo. Nomarihan’ ireo teratany sinoa mipetraka eto Madagasikara, mpampianatra sy mpianatra mandalina ny teny sy ny kolontsaina sinoa ny fitsenana izany, ny Asa­botsy lasa teo. Notanterahana teny amin’ny kianja manoloana ny […]

COVID-19 : marary iray namoy ny ainy

Tao anatin’ny herinan­dron’ny 14 ka hatramin’ny 20 janoary, namoizana ain’olona iray indray ny valan’aretina covid-19, teto Madagasikara. Nivoitra avy amin’ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka izany. Mbola misy olona dimy hafa koa marary mafy, arahi-maso akai­ky ny fahasalamany. 29 ny tranga vaovao tao anatin’ ny herinandro. Olona 321 nanaovana fitiliana, voaporofo […]

Rivodoza Cheneso: telo maty, tafiakatra enina ny olona tsy hita popoka

Mavesatra ny takaitra navelan’ilay rivodoza Cheneso tamin’ny faritra maro eto Madagasikara. Mahatratra 6 ireo olona tsy hita popoka, olona telo hafa maty. 7.240 ireo traboina. Ranobe mangeniheny ao Mahajanga sy amin’ny tanàna maro. Mitohy ny fanagonana ny vokatry ny fahapotehana nateraky ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso teto Madagasikara izay tanterahin’ny BNGRC. […]