Mavitrika! Io indray no karazam-bary vaovao ho an’ny tantsaha novolavolain’ireo mpikaroka ao amin’ny Fofifa. Sady be otrikaina no mamokatra be rehefa voakarakara ity masomboly vaovao voafantina ity. Nampahafantarin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny voka-pikarohana Mavitrika. Karazam-bary voalohany be otrikaina sy manana tahana “zinc” ambony indrindra eto Madagasikara. […]
Fiaraha-monina
Mpanazava eto Madagasikara : mandray anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana
Anisan’ireo mandray anjara mavitrika amin’ny Andro maneran-tany ho an’ny famantarana ny toetry ny andro atao etsy amin’ny Parvis Analakely, ny Mpanazava eto Madagasikara, rahampitso. Hampahafantatra ny asa ataony mahakasika izany sy ny tontolo iainana izy ireo. Hitarika famelabelaran-kevitra sy hampilalao, amin’ny alalan’ny fanentanana momba ny lohahevitra: “Ny ankizivavy sy ny fiovaovan’ny […]
Toetry ny andro : Iankinan’ny seha-pihariana sy ny fahasalamana
Tranoheva am-polony no mampiranty ny hetsika ataon’izy ireo momba ny toetry ny andro eny Analakely. Anisan’izany ny GIZ. «Raha tsy misy ny hetsika momba ny toetry ny andro hampihenana ny fiantraikan’ny fiovany, afaka 80 taona, hitombo 5°C ny hafanan’ny tany eto amintsika», hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana […]
FBI National Academy Associates: mendrika tamin’ny fiofanana ny inspecteur Sophie
Nisongadina tamin’ny taranja hazakazaka, nitana ny laharana voalohany tamin’ireo vahiny mpianatra ny inspektera Ranjaharimalala Raharinoely Sophie. Tafita soa tamin’ny fiofanana natao tao amin’ny FBI National Academy Associates, Inc tao Quantico izy. Toeram-piofanana mpitandro filaminana anisan’ny manan-danja indrindra any Etazonia no nanaovana izany fiofanana izany. Nitana ny laharana faharoa kosa ny […]
Fikarakarana zokiolona: mandray tanora hianatra asa ny Fimibeama
Mandray olona hianatra asa momba ny fikarakarana zokiolona ny Fikambanana mikarakara zokiolona eto Madagasikara Fimibeama. Maimaimpoana ny tolotra ho an’ ireo liana sy mazoto. Entanina manokana ny zatovo sy ny tanora hahay handray andraikitra amin’ny sehatra sosialy sy fikarakarana ireo zokiolona mba hahaizany manaja ray aman-dreny. Fanabeazana ihany koa izany […]





