Fiaraha-monina

Humanity First – Miozolomanina Ahmadiyya: Nankahery ireo fianakaviana mpialokaloka ara-pinoana

Notontosaina teny amin’ny foiben-toeran’ny Miozo­lomanina Ahmadiyya Andava­mamba, omaly, ny fankaherezana sy fanohanana ireo fianakaviana mpialokaloka ara-pinoana. Fianakaviana 500 izy ireo izay avy amin’ny firenena maro samihafa. Misy avy any Pakistan, Afghanistan, Mali, Togo… Ny ONG Humanity First avy any Alemana miara-miasa amin’ny Miozolomanina Ahmadiyya eto Madagasikara no tompon-kevitra amin’ny fiahiana […]

Takaitran’ny rivodoza Jude : Dimy no maty, 106 372 traboina

Dimy ny olona maty vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Jude tany amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC, ny faran’ny herinandro teo. Ambovombe, Taolagnaro, Befotaka no nahitana ireo tranga ireo. Enina kosa no naratra. 106 372 ny traboina (tokantrano 24 885), olona 20 827 avy ao amin’ny faritra Androy, Traboina 6 […]

Fikambanan’ny DHEA : Imasoana ny fanatanterahana ny politikam-panjakana

Mijoro sy sahy amin’ny fanatanterahana ny politikam-panjakana ny fikambanana DHEA. Vonona ny hitondra ny traikefany notovoziny teny amin’ny Enam izy ireo hampandrosoana ny firenena. Nanao fihaonambe ireo mpikambana ao amin’ny DHEA na fikambanan’ireo mpianatra nahazo ny Diplômes en hautes etudes en administration, cycle expertise ao amin’ny sekoly ambony Enam. Mampivondrona […]

INDRAY MIJERY

Ho an’ny mpandray zava-mahadomelina amin’ny alalan’ny tsindrona, manana zo hisitraka tolotra fahasalamana toy ny olona rehetra izy ireo. Manambara ny lalàna momba ny ady amin’ny VIH fa andraikitry ny fanjakana ny manome fitaovana fiarovana ho an’ny marefo manoloana ny VIH, toy ny fimailo sy ny fitaovam-panindromana madio tsy hiparitahan’ny tsimokaretina. […]

Tontolo iainana sy fahasalamana: Napetraka ny fenitra ho an’ny kalitaon’ny rivotra

Natao omaly, tetsy Anosy, ny atrikasa fanamarinana ny fenitra malagasy momba ny kalitaon’ny rivotra. Miatrika ny haavon’ny loto mampanahy i Madagasikara satria maha­tratra 22ug/m3 ny fifantohan’ ny poti-javatra madinika (PM2.5) izay miohatra alavitra noho ny fenitra eken’ny OMS (15ug/m3). Manoloana izany, nanomboka nanangana ny fenitra nasionaly ny fanjakana mala­gasy hamaritana […]