Mivoatra ny sehatry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa olana ny tsy fivoaran’ny lalàna sady tsy misy fampiharana izay lalàna vaovao havoaka. Takina ny fampivoarana ny lalàna manan-kery sy ireo voka-pikarohana voarakitry ny bokin’ny mpikaroka mpampianatra sy ny mpianatra eny anivon’ny anjerimanontolo ho azo hampiharina hitondrana fivoarana ho […]
Fiaraha-monina
Ankatoky ny fety: miaka-bidy ny akoho amam-borona
Mahatratra hatramin’ny 150.000 Ariary ny vidin’ny vorontsiloza iray eny an-tsena, 20.000 hatramin’ny 40.000 ariary ny mofo mamy ary 2000 ariary kosa ny chocolat. Manodidina ny 100.000 Ariary eo farafahakeliny, ny vola natokan’ny ankamaroan’ny olona amin’izany. Efatra andro alohan’ny fetin’ny Noely ary sivy andro alohan’ny faran’ny taona. Niakatra avokoa, hatreto, ny […]
la2m : nanome fitaovana ny koreanina tatsimo
Tonga nanolotra fitaovana ara-medikaly, mitentina 100.000 dolara , ho an’ireo hopitaly lehibe manerana ny Nosy sy ho an’ny laboratoara LA2M ny fanjakana koreana tatsimo tamin’ny alalan’ny Masoivoho an’i Korea miasa eto amintsika, Yongho Son, omaly, teny Ambohidahy. Nandray izany ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely Arivelo ary nitondra ny […]
Vokatry ny fanohanan’ny USAID : olona 800 000 nizaran’ny Pam tohana ara-tsakafo
Tsy misy fiahiana ara-tsakafo ny mponina any atsimon’ny Nosy ka tojo olana amin’izao fotoana izao. Nitondra fanampiana mitentina 45 tapitrisa dolara hampiasain’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), ny Sampandraharaha amerikanina ho an’ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) tamin’ity taona ity. Nahafahana nisoroka olana ara-tsakafo goavana ny fisian’ny tohana satria ny […]
Sekoly Telma : notokanana ny Préscolaire tamin’ireo EPP dimy
Niara-notokanana, omaly, teny amin’ny EPP Malaho ny efitranon-tsekoly vaovao ho an’ny Préscolaire natsangana tamin’ny EPP miisa dimy eto Analamanga. Anisan’ny nisitraka izany ny EPP Malaho, Soalandy, Tsararirinina, Soamanandrariny ary Masinandriana, izay ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano sy Avaradrano avokoa. Ahitana efitrano fianarana sy fampitaovana raitra ahafahan’ny ankizy madinika manokatra tsikelikely ny […]