Fiaraha-monina

Toamasina : nidina an-dalambe ny vahoaka

Tsy tana intsony ! Raikitra ny savorovoro tao an-drenivo­hitr’i Toamasina, halina. Andaniny, nidina an-dalambe ny vahoaka noho ny fahatapahan-jiro lavareny any an-toerana. Nandoro kodiarana, nanapaka arabe izy ireo. Ankilany, niezaka nifehy ny hetsiky ny mponina ny mpitandro filaminana. Nia­fara tamin’ny fanaparitahana tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso izany. Ireo vahoaka kosa namaly tamin’ny […]

Itasy sy Analanjirofo : hotokanana ny oniversite manara-penitra

Fantatra nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fahavitan’ny oniversitem-paritra ao Itasy sy Analan­ji­­rofo. Hisantarana ny fiaraha-miasa amin’ny fanafarana ireo mpampianatra avy any ivelany ireo oniversite roa vaovao hisokatra ireo, raha ny toromariky ny Filoham-pirenena. Ahitana sampam-piana­rana vaovao hosokafana ha­hafahan’ny tanora mandranto fianarana momba ny fizahantany, ny siansa […]

Fahasalaman’ny saina : miady amin’ny fanilikilihana ny Hifali

Miasa eto Antananarivo sy any Mahajanga ny tetikasa Hifali (Hetsika iombonana ho an’ny fahasalaman’ny saina sy ny lamina ifotony) andiany faharoa, miaraka amin’ny Humanité & Inclusion misehatra. Tetikasa iray miady amin’ny fanilikilihana sy ny fanohanana ara-tsaina sy ara-batana ireo olona tratran’ ny androbe sy ny fianakaviany, miaraka amin’ireo olona manana […]

Fampianarana teny japoney : diplaoma iraisam-pirenena ny JLPT

Indroa isan-taona ny fitsapam-pahaizana miteny japoney, amin’ny alalan’ny JLPT, atao eto Madagasikara. Efa mahaliana tanora maro io tenim-pirenena vahiny io. Nitondra fanazavana ma­hakasika ny fampianarana teny japoney na ny Japanese Language Profi­ciency Test eto Madagasikara (JLPT) ny masoivoho japoney. Fanadinana hitsapana fahaizana teny vahiny iraisam-pirenena ny JLPT. Mitovy amin’ ny […]