Ny 11 marsa hatramin’ny 28 mey ny fisoratana anarana amin’ny fampianarana teny anglisy maimaimpoana, ho an’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany, karakarain’ny masoivoho amerikanina. Fomba firesaka amin’ny teny anglisy fampiasa amin’ny sehatry ny fizahantany no hatao amin’izany. Anisan’ny lesona hianarana amin’izany ny fomba famaritana tanàna hotsidihina na ny kolontsaina ao aminy. Ireo […]
Fiaraha-monina
Fitsaboana ny aretina tazo tsotra: napetraka ny tetikasa “Imprima” hanatsarana ny fanafody ACT
Mivoatra ny fitsaboana ny aretina tazo tsotra amin’ny fanampiana primaquine ny fanafody fitsaboana, ACT. Hamono ny katsentsitra ny primaquine, hanapaka ny fifindran’ny aretina avy amin’ny kaikitry ny moka. Efa misy ny tetikasa « Imprima » hoenti-manatsara ny fitsaboana ny aretina tazo. Vokatry ny fikarohana nataon’ny Malagasy sy vahiny mpikaroka sy ny […]
Filatsahana an-tsitrapo: nanao tatitra ireo japoney avy amin’ny Jica
Noraisin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ireo japoney mpilatsaka an-tsitrapo nahavita ny asany nandritra ny 2 taona, teny amin’ny oniversiten’Itasy, Soavinandriana. Manampy amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eny amin’ny anjerimanontolo ny fiaraha-miasa amin’ny Jica, amin’ny alalan’izy ireo. Anisan’ny tonga nanao tatitra ny asa vitany i Takeharu […]
Toliara: hofanina arakasa ireo voafonja
Ny faran’ny herinandro teo, nijery ny zava-misy iainan’ny voafonja ny mpitahiry ny tombokasem-panjakana, minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Nambarany tamin’izany, fa tsy maintsy hampitomboina ny fanofanana ny voafonja any an-toerana. Tanjona ny hanamafisana ny fanarenana ny fiainan’izy ireo aorian’ny famitany ny saziny. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny politikam-panjakana dia […]
Mercy Ships: hanomboka ny fizahana marary maimaimpoana
Mitohy ny fandraisana ny anaran’ireo ho tsaboina ao amin’ilay sambo hopitaly Mercy Ships any Toamasina. Hanao ny dingana rehetra izy ireo aorian’izany. Hotanterahina manomboka ny 28 mey izao ny fizahana sy ny fandidiana ho an’ireo marary mila izany. Efa nanomboka ny 11 marsa, hifarana ny 29 marsa ny fisoratana anarana […]





