Fiaraha-monina

Hetsika « Hizara hafaliana » : hanampy ny ankizy trisomika tsy misy mpiahy

Marihina isaky ny 21 marsa ny Andro maneran-tany ho an’ny trisomie 21. Nanomboka ny taona 2017 no nanamarika izany i Madagasikara, miaraka amin’ny fikambanana Syndrom down Madagascar. Andiany fahafito no tan­terahina nanomboka omaly, ary hitohy amin’ ny hetsika maromaro. Tsy aretina ny trisomie 21 fa toe-tena ary mety hiteraka zaza […]

Distrikan’Atsimondrano : namatsy vola 418 805 Euros i Japon

Mitentina 418 805 Euros eo ho eo ny fanampiana ho fanohanana ara-bola ho an’ny taona fahatelo nisian’ny tetikasa “Fanampiana ho an’ny tetikasa madinika ho fitsinjovana ny maha olombelona”. Ny fitsinjovana ny fampanjarian-tsakafo ny ankizy no iompa­nan’ny fandaharanasa ao Atsimondrano. Natao ny alatsinainy teo ny sonia fiaraha-miasa mikasika izany. Nanatanteraka izany […]

Toetry ny andro: ilaina ny antontam-baovao

Hanatanteraka hetsika iarahana amin’ireo mpisehatra momba ny toetr’andro ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro. Manampy azy amin’izany ny mpiray miombon’antoka ho fankalazana ny andro maneran-tany ny 23 marsa ho avy izao. «Lohalaharana amin’ny hetsika mahakasika ny toetr’andro», ny lohahevitra nosafidiana. Hasongadina fa tsy misy hetsika momba […]

Tandindon-doza : manana drafitrasa fiomanana i Madagasikara

Zava-dehibe amin’ny fiatrehana ny loza ny fananana drafitrasam-pirenena. Misy ny fanentanana sy fanapariahana izany ataon’ny mpiantsehatra. Ho an’ny taom-pahavaratra 2023 -2024, nahafahana nampihena ny voka-dratsin’ny orambe sy ny loza ny fananan’i Madagasi­kara ny drafitrasam-pirenena. «Mahakasika ny fiomanana mialoha sy ny tandindon-doza izay nampiharina izany», araka ny fanazavan’ny tale jeneraly lefitry […]

Tetikasa Produir: mitohy ny fanangonana boky

Nahitam-bokany ny antso avo nataon’ny tetikasa « Pro­duir » amin’ny hanangonana boky ho an’ireo trano famakiam-boky eto Antananarivo. Nahafahana nanangona boky sy fitaovana hafa miisa 1 500 ny fanentanana natao. Tsy mbola ampy hamenoana ireo trano famakiam-boky eny amin’ny fokontany iasana anefa ireo. Miisa 5 ny fokontany hovatsiana boky ka ny 4 amin’ireo […]