Nanomboka ny alakamisy teo, tao Morombe, ny fanadiovana ny tanàna sy ny lakandrano amin’ny alalan’ny asa tanamaro. Nalana ireo manentsina sy mananosarotra ny fivoahan’ny rano mihandrona noho ny rotsakoram-be. Nahatratra 167mm ny refin’ny orana nirotsaka tao anatin’ny 24 ora. Olona 75 no ahetsika mandritra ny dimy andro hanao ny asa […]
Fiaraha-monina
Fahasahiranana: betsaka ny tokantrano mivaro-pananana
Samy manana ny fomba hiatrehina ny volana janoary ny isan-tokantrano taorian’ny fety. Tsy vitsy ireo mivarotra ny fananana, havadika ho sakafo. Rehefa volana janoary tahaka izao, betsaka ny tokantrano mivarotra ny entana tsy ilaina intsony na koa tsy ampiasaina matetika havadika ho vola hividianana sakafo. Santionany amin’ireny ny fanaka, ny […]
Takaitran’i Alvaro : niakatra ho 26 075 ny traboina
Nitombo ho 26 075 ny olona traboina avy amin’ny tokantrano 5 979 ary 9 916 no voatery nafindra toerana (2 108 tokantrano) eny amin’ny toeram-pandraisana 36, ho an’ny faritra dimy voakasiky ny takaitra navelan’ny rivodoza Alvaro. Tsy nisy ny olona tsy hita popoka ary nijanona ho 10 ireo maty. Niakatra ho 5 072 ny […]
NIHINANA trondro am-bifotsy : fito mianaka marary naiditra hopitaly
Anisan’ny sakafo nampidi-doza ho an’ny fianakaviana iray manontolo ny fihinanana trondrokely am-bifotsy. Efa nahiditra hopitaly any Tanamakoa-Toamasina kosa izy ireo. Fito mianaka be izao tsy maintsy naiditra hopitaly ao amin’ny toeram-pitsaboana tsy miankina iray ao Tanamakoa-Toamasina. Narary vokatry ny fihinanana trondrokely am-bifotsy, “sardine”, izay nampifangaroana tamin’ny paty makaronia, ny andron’ny […]
MFM : “Ho mafy ny toe-draharaham-pirenena”
“Ho mafy ny toe-draharaham-pirenena hisy eto”, hoy ny filoha mpiara-mitantana ny antoko MFM, Randrianirina Jean-Ignace, amin’izao taona vaovao izao. Maneno avokoa ny mpanao politika mpanohitra. Misy koa ny mpanohana fitondrana efa manomboka maneno fa tsy hahazo toerana amin’ny fananganana governemanta. Ny fiarahamonina sivily efa niteny tamin’ny voalohany hoe diovina aloha […]





