Fiaraha-monina

Ialana amin’ny tokantrano imaso: mampanao mariazy faobe ny miaramila

Nisora-panambadiana, nandritra ny mariazy faobe natao teny Ivato, ny miaramila 24 tao amin’ny PARA, omaly. Tanjona ny mba hialana amin’ny tokantrano imaso sy fidirana amin’ny ara-dalàna . Notanterahina teny amin’ny Toby Jene­raly Ismael Mouni­bou, 1er Bataillon Para­chutiste, Ivato omaly, ny fisoratam-panambadiana faobe ho an’ireo miaramila tsy mbola nahavita izany tao […]

Toetry ny andro : hahazo orana betsaka any Atsimo Andrefana

Momba ny vinan’ny toetry ny andro ho an’ny telo andro manaraka, ho betsaka ny orana ho an’ny faritra Atsimo Andrefana anio. Han­drahona kosa ho an’ny faritra Analamanga, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Vato­vavy, Fitovinany, Itasy sy ny tapany atsinanan’i Vakinan­ka­ratra sy Amron’i Mania ary Matsiatra Ambony. Hisy orana mitsotokotoko ny faritra sisa […]

Taona 2022 : nihena 1 tapitrisa ny trangan’aretina tazomoka

Nanodidina ny 2.400.000 ireo trangan’aretina tazomoka hita ny taona 2021. Ni­hena hatramin’ny 1.400.000 teo ho eo izany ny taona 2022. Io no tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-ba­ho­aka mikasika ny aretina tazomoka, omaly. Maro ny ezaka natao nahazoana ny vokatra. Tao ny fizarana lay misy odimoka maharitra (Mid) tamin’ireo distrika 101 manerana […]

Fihotsahan’ny tany: tokony hahatsapa tena ny mponina

Taorian’ny fametrahana saina mena 400 teny amin’ireo fokontany 15 voakasiky ny mety ho fihotsahan’ny tany na vato eny amin’ny vohitr’i Manjakamiadana sy ny manodidina (eto Anta­na­narivo) .Izay natao ho fampatsiahivana ny mponina fa misy ny tandindon-doza, ma­nara-maso ny fivoaran’ny zava-misy eny an-toerana ny teknisianina. Ny rano mitsika any ambanin’ny tany eny […]

Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka: hatsaraina ny kalitaon’ny fandraisana eny amin’ny hopitaly

Manoloana ny lesoka amin’ny fandraisan’olona, izay mampitaraina ny maro, eny amin’ny hopitaly sy tobim-pahasalamana dia nanao fanamby ny hanao ezaka manokana mihitsy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mahakasika izany amin’ity taona 2023 ity. Nilaza ny minisiteran’ ny Fahasalamam-ba­ho­aka fa hanao eza­ka goavana amin’ny fa­na­tsarana ny kalitaon’ny fandraisana eny anivon’ny ho­pitaly sy ireo […]