Fiaraha-monina

“Hello Women” : Tovovavy mpianatra 50 hotohanana hiditra amin’ny asa

Hatao any Matsiatra Ambony, ny volana avrily ho avy izao, ny Andro maneran-tany ho an’ny vehivavy misehatra amin’ny niomerika. Tovovavy 50 hisitraka tantsoroka. Mandritra ny telo volana, hanao tantsoroka ho an’ny tovovavy 50 eny amin’ny oniversite sivy manomana ny Licence sy ny Master hiditra amin’ny sehatry ny asa ny fandaha­ranasa […]

FIF : niara-nifety ireo vehivavy mpikambana

Nihaona sy niara-nifety tetsy Andrefan’Ambohijana­hary ireo vehivavy mpikambana ao anatin’ny Firaisankinan’ Iarivo ho Fampandrosoana (FIF), omaly. Tonga nanatrika izany ny mpivarotra, ny fikambanan’ ny mponina ary ny mpitantana fotodrafitrasa eny ifotony eto amin’ny tanànan’Anta­na­na­rivo Renivohitra. Votoatin’ny fihaonana ny fifanakalozan-kevitra narahina adihevitra mahaka­sika ny anjara andraikitry ny ve­hivavy mba hampandrosoana ny […]

Rajoelina Mialy : “Handray an-tanana ny fitsaboana ireo zaza voaolana”

Hitondra ny feon’ireo zaza tsy manan-tsiny misy manolana sy hanaovan’ny fianakaviana akaiky habibiana ny vadin’ny filohan’ny Repoblika. Hanohy ny famongorana ny herisetra atao amin’ny ankizy ihany koa izy. Manentana ny ray aman-dreny hanohana ny zanany vavy hanohy fianarana hatramin’ny ambony indrindra hahazoany manatanteraka ny nofinofiny any aoriana ny vadin’ny filohan’ny […]

Fankalazana ny 8 marsa: miofana, mifanohana ny samy vehivavy

Nanomboka afakomaly no mifanaretsaka ao Toamasina ny solontenan’ny vehivavy ma­nerana ny Nosy. Miara-mankalaza ny Andron’ny 8 marsa amin’ny vadin’ny filo­han’ny Repoblika izy ireo. Ankoatra ny «carnaval medicale» dia misy ny fanentanana samihafa. Manginy fotsiny ny fizarana “kits de démarrage” sy fanomezana Certificat ho an’ireo niofana tamin’ny “formation de masse en […]

Tsy hihemotra ny fanjakana : “Tsy maintsy vosirina ny mpanolan-jaza”, hoy ny Fitondram-panjakana

Samy nanamafy ny Filohan’ny Repoblika sy ny minisitry ny Fitsarana fa tsy maintsy hampiharina amin’ireo mpanolan-jaza ny famosirana satria efa vita ny 26 febroary lasa teo ny « promulgation ». Nanamafy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, nandritra ny fitokanana ny fotodrafitrasa ho an’ny mpitandro ny filaminana an-tanàn-dehibe tany Toama­sina, omaly, fa manameloka […]