12 ny firenena mitaky ny hanaovan’ny olona rehetra avy any Chine fitilana PCR hanamarinana ny fahasalamany rehefa hiditra ao aminy satria mirongatra indray ny Covid-19 any Chine amin’ izao fotoana izao. Iray amin’ ireo firenena ireo i Frantsa izay nanambara tamin’ny alalan’ny praiminisitra frantsay, Elisabeth Borne, fa andraikitry ny fanjakana […]
Fiaraha-monina
Rocade Iarivo : ho tapaka mandritra ny iray volana ny ampahan-dalana
Namoaka filazana ny minisiteran’ny Asa vaventy fa hisy ny fahatapahan-dalana eny amin’ny Rocade Iarivo mandritra ny iray volana (9 janoary ka hatramin’ny 5 febroary), noho ny fanatsarana sy fikojakojana ny fotodrafitrasa. Ny 9 janoary hatramin’ny 17 janoary dia ho tapaka ny lalana ankavanana “Rond point RP1” sy ny Rond point […]
Kaominina Ampanotokana : efa salama ireo noahiana ho voan’ny pesta
Tapitra ny 30 desambra teo ny fihibohana natao tamin’ireo mponina tao amin’ny fokontany Androhibe, kaominina Ampanotokana, distrikan’Ambohidratrimo. Efa afaka mifamezivezy ny mponina satria voafehy ny aretina izay nampiahiahy toy ny trangana pesta ka nahafaty olona dimy tao an-toerana. Nisy tamin’ireo mpivady… Afaka misokatra, araka izany, ny sekoly amin’ny fidiran’ny mpianatra […]
Fanaovana vaksiny BCG: ho avy tsy ho ela ny fitaovam-panindromana manokana
Tsy manakana ny fanohizana ny fanatanterahana ny vaksiny hafa rehetra tokony hositrahin’ny zaza ny tsy mbola fisian’ny fitaovam-panindromana eny amin’ny CSB. “Efa ho avy tsy ho ela ny fitaovam-panindromana ilaina amin’ny fanaovana ny vaksiny BCG tokony hataon’ny zaza vao teraka ka hatramin’ny iray volana ahaterahany. Misy sy ampy ny tahirim-baksiny […]
Raharaha fakana an-keriny: Olona 155 voasambotra tao anatin’ny herintaona
Mitotaly fito ny trangana fakana an-keriny voarain’ny zandarimaria avy amin’ny vondrom-tobim-paritr’Imerina “central” ny taona 2022. Tao anatin’izany, olona miisa 155 voasambotra raha olona miisa enina kosa no tra-tehaka tamina sarintsarina fakana an-keriny. Nihena kosa anefa ity trangana fakana an-keriny ity raha oharina tamin’ny taona 2021. Miisa 15 ny tranga voaray […]