Fiaraha-monina

CUA-Iscam : Kilasy 44 hianatra teny frantsay maimaim-poana

Natomboka, omaly, tetsy amin’ny sekoly ambaratonga fototra Ankadifotsy II ny tetikasa fisantarana ny fampianarana teny frantsay maimaim-poana, ivelan’ny ora fiana­rana. Natao ho an’ny kilasy fahadimy eny amin’ny EPP eto anivon’ny tanànan’An­tananarivo Renivohitra izany. Nisy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny CUA sy ny oniversite tsy mian­kina Iscam. Nosafidiana manokana ny teny frantsay […]

Profesora Robinson Annick: Virose ny aretina mahazo ny ankizy ankehitriny

Areti-mifindra mateti-pitranga amin’ny zazakely ny virose, izay azo avy amin’ny otrikaretina madinika antsoina hoe “virus”. Io aretina io no mirongatra ankehitriny, araka ny fanaza­van’ny profesora Robinson Annick. “Miditra eo amin’ ny orona ary manafika ny taovam-pisefoana ny «virus», mahatonga ny aretina virose mamely ireo zaza sy ankizy amin’izao fotoana”, hoy […]

Covid-19 : iray maty, 397 ny tranga vaovao

Namono olona iray ny Covid-19 nandritra ny 19 novambra ka hatramin’ny 25 novambra lasa teo, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-ba­ho­aka, omaly, raha isaky ny alahady ny fanomezana ny fivoaran’ny antontanisa mahazatra isan-kerinandro. 205 ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana 1061 natao tao anatin’ny faritra folo, 397 ny olona marary amin’izao fotoana […]

Rafitry ny fahasalamana: miantso ny mpiray ombon’antoka hanampy ara-bola

Voavolavola ny drafitrasa hotanterahina mandritra ny efatra taona manaraka ho an’ny tolotra fahasalamana ao anatin’ny distrikan’An­tana­na­rivo Renivohitra. Ho an’ny taona 2023, mitentina 214 300 000 Ar ny sora-bola hokirakirain’ny CSB 18 eto Antananarivo Renivohitra sy ny sampandraharaham-pahasalaman’ny distrikan’Anta­nana­rivo Renivohitra. Vola hampihodinana ny raharaha andavanandro ireo fa mbola miandry tohana sy famatsiana avy […]