Fiaraha-monina

Tobim-piantsonan’ny fiara : nofendrahana ranom-panafody

Mitety ireo toeram-piantsonan’ny taksiborosy ny antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), mamendraka fanafody mamono mikraoba sy bibikely. Rarahana ranom-panafody ny toerana sy ny fiara fitateram-bahoaka miainga eny amin’ny tobim-piantsonana hisorohana ny karazana valanaretina. Nosantarina teny Ampasampito sy ny toby Maki Andohatapenaka izany. Vanim-potoana fiakaran’ireo karazana voankazo maro samihafa (manga, litchis, […]

Oniversiten’Antananarivo : hiverina hampianatra ny mpampianatra

Tonga amin’ny vahaolana iraisana ny sehatry ny anjerimanontolo. Hiverina amin’ny fampianarana ny mpampianatra vonona ho amin’izany. Nifanakalo hevitra tamin’ny minisitry ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Assoumacou Elia Béatrice, ny Collectif des Professeurs, ny Seces Sampana Antana­narivo ary ny Collège des Enseignants, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny […]

Marovoay: Kaominina 3 nahitana lefakozatra

Nidina haingana any Ma­rovoay ny tomponandraikitry ny fahasalamana foibe nanao fanentanana manokana amin’ny ady amin’ny aretina lefakozatra . Fantatra fa kaominina 3 any an-toerana no ahitana ny trangana lefakotra indray. Anisan’izany ny ao amin’ny kaominina Marovoay Ambonivohitra, Marovoay Banlieu ary ny kaominina An­kazomborona. Nihaona mivantana tamin’ny tomponandraikitra eny ifotony ny […]

CUA-OIF: Andiany faharoa ny fizarana kopia faobe

Natomboka tetsy amin’ny Tranompokonolona Isotry, omaly, ny hetsika kopia faobe andiany faharoa, karakarain’ny Organisation internationale de la francophonie (OIF) sy ny Kaominina Antananarivo Re­nivohitra (CUA). Ankizy miisa 1 350 indray no hisitraka izany ao amin’ny boriborintany voalohany ka ireo izay latsaky ny 18 taona rehetra dia afaka mahazo izany kopia […]

Fahasalamana: mila mailo amin’ny aretina pesta

Fotoana mampirongatra ny aretina pesta izao. Mitaky fahamailoana izany. Mila mamonjy dokotera avy hatrany raha vao misy atoditarimo miharo fanaviana mafy… Ny volana aogositra hatramin’ny avrily ny vanim-potoanan’ny valanaretina pesta. Efa hatramin’ny volana jolay ny fiomanana, hoy ny talen’ny DVSSER. Nentanina ny isaky ny distrika izay manana drafitra iarovana amin’ny […]