Fiaraha-monina

Tsy fandriampahalemana : raikitra ny « Opération Lamina » ao Toamasina

Hanatanteraka hetsika manokana « Opération Lamina » ny eo anivon’ny vondron-tobim-pileovana Atsinanana eo ambany fiadidian’ny Kly Ranaivoarisoa Théodule amin’izao ankatoky ny fiatrehana ny fetin’ny Krismasy sy faran’ny taona 2023 izao. Eo koa ny paikady entina handaminana ny fandriampahalemana sy ho fiatrehana ny aorian’ny fifidianana filoham-pirenena toy izao. Nomena ny anarana « Opération Lamina » […]

Ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro : tetikasa 26 novatsin’ny Frantsay 750 000 euros

Natomboka ny herinandro teo ny tetikasa 26 nentin’ireo fikambanana avy amin’ny firaisamonim-pirenena malagasy hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nahazo tohana ara-bola avy amin’ny masoi­vohon’i Frantsa, mitentina 750 000 euros izy ireo. Na­hazo fiofanana ireo fikambanana ireo nandritra ny herinandro manontolo. Misy ny fanamafisana ny tambajotra iraisana sy ny fifampizarana fahaiza-manao mialohan’ny […]

Vokatry ny VIH/ Sida : olona iray isa-minitra no maty maneran-tany

Ilaina ny fampiharana sy ny fanatsarana ny lalàna, lany ny taona 2005, momba ny fiarovana sy ny fanaraha-maso ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida, ahafahan’izy ireo misitraka ny fitsaboana sahaza azy. Olona iray isa-minitra no mamoy ny ainy noho ny Sida, maneran-tany, araka ny voalazan’ny sekre­tera jeneralin’ny Firenena mikambana, Antonio […]

Tanambao fahadimy : vaky ny adin’ny mpino sy ny mpitandrina

Vaky indray ny adin’ny mpino sy ny mpitandrina misahana ny fiangonana FJKM- Betela, ao Tanambao fahadimy Toamasina, raha ny trangan-javatra niseho hatramin’ny tolakandron’ny sabotsy lasa teo ary nitohy ny alahady maraina. Ampangain’ny kristianina fa manodinkodim-bola sy ratsy fitantanana ny mpitandrina sady maneho fanavakavahana eo amin’ ny samy mpino. Nizara taratasy […]