Mampivoatra ny fahaiza-manaon’ny mpiasa amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia ny minisiteran’ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana. Mpiasa maro avy eo anivon’ny minisitera foibe sy ny rantsamangaika no nahazo fiofanana mahakasika ny fifehezana ny faharanitan-tsaina tsy voajanahary na Intelligence artificielle sy ny haitao ara-kajy mirindra tetsy amin’ny Ecole 42 […]
Fiaraha-monina
Madagasikara : Mizara traikefa amin’i Kaomoro sy RDC Congo
Natao omaly, tetsy Anosy, ny atrikasa fifanakalozana traikefa avy amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo sy i Madagasikara ary i Kaomoro. Zava-dehibe ny fandraisana ireo firenena afrikanina ireo amin’ny fifanakalozana traikefa sy ny fanatsarana ny fiahiana sosialy. Ny tetikasa Haratonaina, izay tetikasan’ny fitondram-panjakana, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola, ny Fid no manatanteraka eny […]
sehatry ny asa : Niofana ny mpampiofana eto an-toerana
Nandritra ny hadimiana, tamin’ity herinandro ity, nanatanteraka atrikasa momba ny “Harmonisation pédagogique des formateurs nationaux des conseillers en orientation et insertion” (FNCIO), ny fitaleavana misahana ny “Orientation sy insertion professionnelle” (DOIP), ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Tao Antsirabe no natao ny hetsika, izay tohanan’ny Unesco amin’ny […]
Oniversitem-panjakana : Hifarana ny volana oktobra ny taom-pianarana
Nivory voalohany tao anatin’ny Conférence des présidents des universités mampivondrona azy ny filohan’ny Oniversite rehetra miankina amin’ny fanjakana sy ireo tale jeneralin’ny Institut supérieur de téchnologie (IST). Teny amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa no nanaovana izany. Rafitra ambony indrindra manapaka ny zavatra hoenti-mampandeha ny Onivesite tsirairay izany. […]
Analakely : Mpitondra moto voasambotra
Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny mpitondra moto iray niteraka fitohanana teo Analakely, boriborintany voalohany, omaly tolakandro. Voakasiky ny fiara iray io lehilahy nitondra moto io. Raikitra ny fifamaliana teo amin’ny voakasika sy ny mpamily ny fiara. Nentin-katezerana, novelesin’ilay mpitondra moto tamin’ny aroloha teny aminy ny fitaratry ny fiara. Vaky ilay fitaratra. […]