Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Dr Ravelomanantsoa Santatra, lehiben’ny sampana fikarohana ara-pambolena ao amin’ny Fofifa, no nandrombaka ny lokan’ny “Fondation Farm 2026” natolotra tao Paris, ny 17 febroary teo. Mpikaroka mpampianatra momba ny fahasalaman’ny zava-maniry sy ny kalitaon’ny vokatra aorian’ny fijinjana izy. Ny voka-pikarohana nataony no nahafahana nampihena ny fiparitahan’ny bakteria manimba ny voly ovy… […]

Fanampiana ho an’ny traboina: Natolotra mivantana ny an’ny mpitsambo mpanampy

Tsy mandalo antanan-tohatra fa avy hatrany dia mi­vantana amin’ireo mila tohana ny fanampiana ho an’ireo mpi­tsabo mpanampy niharam-boina nandritra ny fandalovan’ilay rivodoza Gezani farany teo. Ny filohan’ny Holafitry ny mpitsabo mpanampy na ny Conim, Botosera Jean Aime, mihitsy no nanatitra izany an-tanana ary ireo tokony hisitraka izany mivantana ihany koa […]

Kaominina Anjahamana : Ankizilahy iray maty, 500 tsy manan-kialofana

Lasa kaominina lavitra andriana no sady tsy misy mpiahy ny kaominina ambanivohitra Anjahamana, anatin’ny distrikan’i Brickaville, faritra Atsinanana. Iray volana izao no nandravaravan’ny rivodoza Gezani ny kaominina maro tato anatin’ny faritra Atsinanana ary anisan’ny lasibatra tamin’izany ihany koa ity kaominina ity. Ankizilahy 5 taona no maty tototry ny tany tao […]

Fiovan’ny toetr’andro: Nihamaro ny aretina kitrotro na ny nendram-boalavo

Tsy voatery ho Mpox rehefa misy mibontsimbontsina mivoaka eny amin’ny hoditra. Indraindray nendram-boalavo izany na kitrotro. Fotoana mampirongatra ny karazan’aretina ny mafana sy avy orana toy izao. Efa vanim-potoana ma­marana ny orana isika izao, eto Madagasikara. Noho ny fiovaovan’ny toetry ny andro sy ny fiakaran’ny rano ary ny fiparitahan’ny loto […]

INDRAY MIJERY

Hahazo vahana ny orana any amin’ny ilany avaratry ny Nosy noho ny fandalovan’ilay tangoron-drahona. Ny tsioka avy atsinanana kosa no handrafitra ny toetry ny andro any an-kafa. Tombanana hahazo vahana kokoa ny oram-baratra any amin’ny morontsiraka avaratra nanomboka omaly ary hitohy anio. Vinavinaina hahatratra 50 hatramin’ny 100 mm ny tahan’ny […]