Fiaraha-monina

« Salagnitry Fagnosafy»: Nanomezana vahana ny toeram-pitsangantsangana ao Farafangana

« Salagnitry Fagnosafy » no anarana nampitondrain’ny Fikambanan’ny zanak’Ante­saka monina eto Farafangana (Fizaa), ny hetsika ara-kolontsaina sy fanatajahantena entina hanomezana vahana ny toeram-pitsangantsanganana hitarika mpizahatany any an-toerana ny fiandohan’ny volana teo ary naharitra roa andro. Nosantarina tamin’ny filaharana avy amin’ireo foko namakivaky ny tanàna ny hetsika izay niafara tao amin’ny « phare » Amboanio […]

Kaominina Andohanilakaka: Nahazo efitrano ny EPP Sakaviro

Vita ny efitrano fianarana manaja ny maha olona ao amin’ny EPP Sakaviro Mahasoa, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Andohanilakaka, distrikan’Ihosy. Vokatry ny famatsiam-bola madinika avy amin’ny masoivoho amerikanina, Ambasador’s Special Self-Help Small Grants Program no nahafahana nanao ny fotodrafitrasa. Mitombo avo roa heny ny efitrano fianaran’ireo ankizy 4 ka hatramin’ny 11 […]

Fiomanana amin’ny loza: Kaominina efatra nofanina hiatrika ny fahavaratra

Nisy ny fanazarantena (Somex), hiatrehana ny fahavaratra teo anivon’ireo kaominina efatra mpisitraka ny fanohanana ara-bola avy amin’ ny tetikasa Produir. Nandray anjara tamin’izany ireo fokontany miisa 20. Voalaza fa marefo amin’ny ranobe ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra sy Bemasoandro, Andra­no­na­hoatra ary Anosizato Andrefana. Nanaovana fanazarantena, ny faran’ny herinandro teo, ireo toerana […]

INDRAY MIJERY

Mitohy ny tantsoroky ny Unesco ho an’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Mpanombana amin’ny Validation des acquis de l’expérience (VAE) hifehezana ny fepetra takina rehefa hanadina olona iray amin’ny VAE. Matihanina roa avy any ivelany sy avy eto an-toerana no hampiofana ireo 20 mianadahy […]

Fiofanana arakasa ao Toliara: Vehivavy mpiofana 20 notolorana fitaovana

Mitsidika ny faritra Atsimo Andrefana ny minisitry ny Fam­pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasolo­arisoa Marie Marcelline, tamin’ity herinandro ity. Nandritra ny diany any an-toerana, nizara mari-piofanana sy fitaovana ho tosika fanombohana ho an’ireo vehivavy 20 nanaraka fampiofanana ny fampivoarana ny maha olona sy ny fitantanana tsotra, miaraka amin’ny fianarana […]