Hetsika maro no notanterahin’ny ekipan’ny fahasalamam-bahoaka Anôsy sy ireo mpiara-miombon’antoka (Oms, Unicef..). Hanampiana ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Jude ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny faritra Anôsy, izany. Nisy fandraisana an-tanana maimaimpoana ireo izay niharan’izany teny anivon’ireo sites d’hébergement sy tao amin’ny CHRR Amboanato. Nizarana lay misy odimoka maharitra […]
Fiaraha-monina
Faritra Diana : Nohavaozina ny drafitry ny fiatrehana loza
Notanterahina tao Antsiranana, nandritra ny hateloana, ny herinandro lasa teo, ny atrikasa fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fitantanana ny loza voajanahary ho an’ny faritra Diana. Nampivondrona ireo manam-pahefana tao an-toerana ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, ireo mpisehatra isam-paritra ary ireo fikambanana maro ny atrikasa hanavaozana ny drafitry ny fiatrehana ny rivodoza […]
Mpilaravinahitra: Maro karazana ireo mifindra monina
Mitondra fanazavana mahakasika ny fandehanana miasa any ivelany na ireo teratany vahiny milaravinahitra eto Madagasikara ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana. Nasongadina tamin’izany fa andraikitry ny minisitera ny manome ny fahazoan- dalana hiasa ho an’ireo teratany vahiny eto Madagasikara sy misahana ireo Malagasy mpiasa mpifindra monina. Atao […]
Matsiatra Ambony: Harafitra ny paikady nasionaly hiadiana amin’ny fampiasana ankizy
Hita amin’ny sehatra maro ireo ankizy miasa nefa tsy ampy taona. Voararan’ny lalàna anefa. Izany indrindra no handrafetana ny paikady nasionaly 2025-2040 hiadiana amin’ny fampiasana ankizy. Tanterahina ao Matsiatra Ambony ny atrikasa fakan-kevitra ho fandrafetana ny drafitra nasionaly mahakasika ny ady atao amin’ny fampiasana ankizy ho an’ny taona 2025-2040, izay […]
First Global Challenge 2025: Fantatra ny ekipa handray anjara
50 ny mpifaninana nisafidianana ireo tanora hisolo tena ny ekipa malagasy nataon’ny STEM For Good, amin’ny hetsika “First Global Challenge 2025”, hatao any Panama City, ny 29 oktobra hatramin’ny 1 novambra ho avy izao. Fifaninanana maneran-tany momba ny robotika ho an’ny tanora latsaky ny 18 taona izy ity ary tontosa […]