Fiaraha-monina

Indray mijery

Noraisin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ireo solontenan’ny Deutsche Genossenschafts- und Raiffeisenverband e.V. Fikambanana alemana manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana izy ity. Tafiditra ao anatin’ny iraka fizahantany sy fifampidinihana ataon’izy ireo eto Madagasikara ny fihaonana. Mikendry ny hahafantarana bebe kokoa ny filana sy ny sehatra mety […]

Faritra atsimon’ny Nosy : Marary 144 000 nisitraka fitsaboana mitety vohitra

Manohana mivantana ny go­vernemanta malagasy sy ny Médecins du Monde i Eta­zonia. Mba hahazoana antoka fa afaka mahazo fitsaboana mamonjy aina ireo vondrom-piarahamonina any amin’ny faritra saro-dalana, indrindra any atsimon’ny Nosy. Mipetraka mihoatra ny 10 km miala ny tobim-pahasalamana ny ampahany betsaka amin’ny mponina any. Mitentina 16 000 tapitrisa Ar […]

Ambohitrakely sy Andrainarivo: Loza mitatao ny fahateren’ ny lalan-tongotra

Mitohy eny Ambohitrakely sy Andrainarivo ny fandaminana ny sisin-dalana izay natao ho an’ny mpandeha an-tongotra tanterahin’ny CUA. Loza mitatao ho an’ny mpandeha an-tongotra ny fahateren’ny lalana, noho ireo mpivarotra sy fiara maty mibahana. Eo koa ny famoahana afo mamay andrahoana sakafo eny amin’ny sisin-dalana. Nomena 48 ora ireo manana fiara […]

Ravelonahina Andrianjaka Hasina : Nahazo ny mari-pahaizana Doctorat en science cognitive et application

Natolotra omaly, teny Ankatso, ny valin’ny fikarohana narahina fanohanan-kevitra nataon’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Sekoly ambony Inscae, Ravelonahina Andrianjaka Hasina. Lohahevitra tamin’izany ny «Modèle d’apprentissage avancé sur des données sociales à Madagas­car». Fampianarana ny ordinatera hampiana-tena avy amin’ ny antontanisa efa misy ahafahany maminany na manome refy amin’ny zavatra hitranga […]

tazomoka – Antananarivo Avaradrano : Niakatra be ny trangan’aretina

Nahafaty olona ny aretina tazomoka tao amin’ny distrika Antananarivo Avaradrano. Niakatra be ny olona marary ka mila fanaraha-maso akaiky ny fifehezana ny aretina. Nidina teny an-toerana ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpandrindra nasionaly ny ady amin’ny tazomoka, ny alahady 17 mey 2026 teo nanamarina ny zava-misy eo anivon’ny hopitaly Anosy […]