Fiaraha-monina

Andro afrikanina ho an’ny skoto : Nahomby ny hetsika natao teto Madagasikara

Nofaranana tetsy amin’ny Kianjan’ny Barea Mahama­sina, ny sabotsy teo, ny fankalazana ny Andro afrikanina ho an’ny skoto, andiany faha-15. “Nahomby ny hetsika natao teto Madagasikara nandritra io fankalazana io, porofon’izany ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa natao”, hoy ny Com­missaire général de la Fédé­ration du scoutisme eto Mada­gasikara, Botolahy Ernest Angelo. Nahafahana nanao […]

Rajoelina Mialy : Nitondra fanampiana ho an’ ny tokantrano 160 traboina

Tsy manadino ireo mpiray tanindrazana traboina vokatry ny fahavakisan’ny fefilohan’Imamba ny vadin’ny filohan’ny Repoblika. Nitondra tohana hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo mponina izy ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny distrika Antananarivo Avaradrano. Nanatanteraka hetsika ara-tsosialy nentina na­no­hanana ireo fianakaviana traboina noho ny fahavakisan’ny fefilohan’Imamba, distrika Avaradrano, ny fiadidiana ny Repoblika. Tamin’ny alalan’ny […]

Dibo-drano i Sabotsy Namehana: vaky ny fefiloha an-jatony ny tra-boina

Vaky vokatry ny rotsakorana afakomaly alina, ny fefiloha any amin’ny fokontany Andranomena. Vokany, tokantrano am-polony no traboina sy tsy maintsy nafindra toerana. Vaky ny fefiloha manandrify ny fokontany Andra­­nomena, kaominina Ankadikely Ilafy, ditrikan’ Antananarivo Avaradrano, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Nampandre ny zava-misy ta­min’ny zandarimaria ny sefo fo­kontany Andranomena, ka […]

INDRAY MIJERY

Natolotry ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, teny Ankatso II, tamin’ity herinandro ity, ny fotodrafitrasa fametrahana ny lavadrano ho an’ny mpianatra. Niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka Communauté musulmane Sunnite de Madagascar (CMSM) izany. Mihoatra ny 5m³ isan’ora ny rano azo vokarina ao an-toerana. Misy fitahirizan-drano mahazaka 18m³ ihany koa. […]