Fiaraha-monina

Ofnalat : Marolafy ny ady amin’ny fifohana sigara

Marihina isan-taona, isaky ny 31 mey, ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny fifohana sigara sy fihinanana paraky. Nanazava ny talen’ny Ofnalat, Ralibera Jerisoa, fa maromaro ny hetsika fanamarihana ary efa nisy ny varavarana misokatra nanomboka omaly, etsy amin’ny ivontoerana iadiana amin’ny fiankinandoha amin’ny sigara eny Itaosy. Nisy ny fanentanana amin’ny ady […]

Andrianarison Botosera Jean Aimé : “Zava-dehibe ny fametrahana fakiolte hanofanana infirmiera

Mivoatra tsy miato ny tontolon’ny fitsaboana maneran-tany. Singa iray lehibe mampihodina ny asa ny infirmiera satria mifampikasoka mivantana amin’ny marary. Tokony haharaka ny fivoarana izy ireo ka mila fiofanana mamaly ny filana. Nanambara ny filohan’ny Holafitry ny infirmiera eto Madagasikara (Onim), Andrianarison Boto­sera Jean Aimé, fa ilaina ny fanavaozana ny […]

Indray mijery

Manohy ny fandaminana ireo tsena sy mpivarotra eto Antananarivo ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, tarihin’ny PDS. Hiditra amin’ny fandaminana ny tsenan’Isotry sy Anatihazo ary Ambalavao indray ny ekipa. Efa nisy ny filazana sy fampitandremana mialoha ho an’ireo mpivarotra amin’ireo toerana ireo. Halalahana ny arabe satria tsy an’ny mpivarotra. Efa miditra amin’ny […]

valanjavaboahary : Hiakatra 100% ny saran’ny fitsidihana

Nitondra fanazavana ny tale jeneralin’ny Madagascar National Parks (MNP), Rakotoarisoa Ony, fa tsy maintsy hiakatra 100% ny saram-pidirana eny amin’ireo valanjavaboahary 49 tantanan’izy ireo. Efa tamin’ny taona 2014 io saram-pidirana io ary tsy nihetsika mihitsy tao anatin’ny 10 taona. Efa fotoana hiakarany izao, hoy ny filankevi-pitantanan’ny MNP izay efa nivory […]

Fikambanana Asmae : Nahomby ny tetikasa “Ankizy”

Tsara ny vokatra azo nandritra ny 9 taona nisian’ny tetikasa “Ankizy”, tohanan’ny fikambanana Asmae (Association sœur Emmanuelle). Tetikasa niompana tamin’ny fampiroboroboana ny fampiatiana ny fanabeazana sy ny ara-tsosialin’ny ankizy. Nivoitra tao anatin’izany ny fomba fanao tsara sy mendrika halain-tahaka. Paikady nampandraisana anjara ireo akany fi­beazana sy ivontoerana samihafa mpiara-miasa amin’ny […]