Tokantrano 1 300 000 no misitraka ny tetikasa Haratonaina manerana ny Nosy. Anisan’izany Rakotondrasoa Justine, mpanasa lamban’olona latsaka tao anaty fahasahiranana teo aloha kanefa tonga mpandraharaha amin’ny fiompiana sy fitaterana ankehitriny. Mitantara ny fikirizany izy niaraka tamin’ny tohana avy amin’ny fanjakana sy ny fiofanana entin’ny Fid izay mpanatanteraka eny ifotony. Renim-pianakaviana […]
Fiaraha-monina
Inner Wheel : Mpianatra 17 nahazo mari-pankasitrahana
Notolorana mari-pankasitrahana tetsy Antaninarenina, afakomaly, ireo ankizy 17 nandrato fahalalana momba ny zaitra. Nianatra nandritra ny enim-bolana, nanomboka ny volana janoary hatramin’ny volana jona, teo anivon’ny fikambanana Inner Wheel club Antananarivo izy ireo. Izay nahitana sokajy vao manomboka sy manao perfectionnement. Safidiana manokana hanaraka ny fiofanana ireo vehivavy anaty fahasahiranana. […]
Famonjena anaty rano : Niofana ny vondrona Vonjy voina Ivato
Niteraka resabe tany anaty tambajotra sosialy ny famonjena olona latsaka anaty rano ataon’ny sampana mpamonjy voina. Matetika, maka ny olona dobo rano no ataon’izy ireo fa tsy tsikaritry ny mpitazana ny vonjy aina sy famelomana na ala nenina atao amin’ilay niharam-boina. Efa voaofana anefa ireny mpamonjy voina ireny ary mahafantatra […]
Toamasina : Feno fako sahady ny lalana eo amoron-dranomasina
Tototra fako sy diky ny eny amoron-dranomasina, Depot manamorona ny “voie rapide”. Tsy laitra iainana ny fofona maimbo ataon’ireo mponina… Vao ety amin’ny 500 metatra tsy hahatongavana eo amin’ny faritra misy ny tonelina natao ho lalam-bahoaka raha ho eny amoron-dranomasina dia efa sempotry ny fofona maimbo. Nataon’ny fokonolona ao Depot […]
INDRAY MIJERY
Mampivoatra ny fahaiza-manaon’ny mpiasa amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia ny minisiteran’ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana. Mpiasa maro avy eo anivon’ny minisitera foibe sy ny rantsamangaika no nahazo fiofanana mahakasika ny fifehezana ny faharanitan-tsaina tsy voajanahary na Intelligence artificielle sy ny haitao ara-kajy mirindra tetsy amin’ny Ecole 42 […]