Natolotry ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, ho an’ny vahoakan’Antsiranana, ny faran’ny herinandro teo, ny CSB II manara-penitra ao Manongalaza. Toeram-pitsaboana hiasa sy handray marary avy hatrany. Fitaovana vaovao sy raitra avokoa no ampiasaina ao amin’ity CSB II ity, araka ny fanazavana. Anisan’izany ny efitrano fiterahana, manana fitaovana arifomba fanaraha-maso ny […]
Fiaraha-monina
Fananahana ara-pahasalamana : ilaina ampidirina anatin’ny fandaharam-pianarana
Tanora latsaky ny 25 taona avokoa ny 64% amin’ny Malagasy. Mbola latsaky ny 15 taona ny antsasamanilan’izy ireo, araka ny antontanisan’ny Tahirin’ny Firenena mikambana ho an’ny mponina (Unfpa). Mbola olana ho an’ny firenena ny fananahana ara-pahasalaman’ny tanora sy ny zo mifandraika amin’izay satria ny 31% amin’ny tovovavy 15-19 taona efa […]
Antananarivo: hiverina ny rotsakorana amin’ny alatsinainy
« Hiverina indray ny rotsakorana amin’ny fiandohan’ny herinandro ary voakasika ny eto Antananarivo”, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Tsy marin-toerana ny atmosfera ka ny oram-baratra sy orana tandrifin- drahona no hitranga ho an’ny afovoantany sy ny ilany atsinanan’ny Nosy rehetra hatrany Melaky sy Betsiboka. Anio, momba ny […]
Fampianarana teknika : hosantarina ny 18 septambra ny taom-pianarana
Mizara telovolana telo ny taom-pianarana 2023-2024 ho an’ny fampianarana teknika sy ny fiofanana momba ny asa, araka ny fampahafantarana nataon’ny minisitera mpiahy. Hosantarina ny 18 septambra ny telovolana voalohany ary hifarana ny 22 desambra ho avy izao. Misy fiatoana ny fampianarana ny 28 oktobra hatramin’ny 5 novambra anatin’ny fotoana fahatsiarovana […]
Ampataka Ambositra: zanakazo fihinam-boa 50 fototra voavoly
Nanao fizaran’asa momba ny tontolo iainana tany Ampataka Ambositra, ireo mpianatra sivy mianadahy, avy amin’ny oniversiten’ny Suptop ao amin’ny Akany Iarivosoa Anosibe. Notanterahina ny 25 hatramin’ny 31 jolay lasa teo izany. Namboly zanakazo (voasary, manga, café) 50 fototra sy nampianatra ny fanaovana zezika compost izy ireo, nandritra izany. « Tanjona ny […]





