Natomboka, omaly, tetsy amin’ny Oniversiten’ Antananarivo, ny dinidinika ho an’ny vehivavy manolo-tena eto Madagasikara. Dinika mikendry ny hamahana ny olan’ny tsy fitoviana eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny fanabeazana ary ny fandraisana anjaran’ny vehivavy eo anivon’ny fiarahamonina. Tetikasa niarahana tamin’ny masoivohon’ny Vondrona eoropeanina, ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina […]
Fiaraha-monina
Rajoelina Mialy: “Ilaina ny fanabeazana ara-pananahana feno any an-dakilasy”
Samy manana ny olana sedrainy ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina momba ny ady amin’ny tsimokaretina VIH/Sida. Iraisana ny fahatsapana fa tokony hatsaraina ny famatsiana fanafody sy ny fitiliana ary ny fijerena manokana ireo olona mitsindrona zava-mahadomelina. Haharitra hateloana ny fivoriana faha-20 iraisan’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina momba ny […]
Hafari Malagasy : miaro ny zon’olombelona hatrany
Mihamitombo ny olana atrehin’ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Maro ireo olona matahotra ny hiditra birao kanefa misy zo voahitsakitsaka ao anatin’izany. Noho izany indrindra no antom-pisian’ny Hafari Malagasy, mampahafantatra ny zo didian’ny lalàna amin’ny olona iray, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina. Nambarany, tamin’izany, fa maro ireo […]
Sampandraharan’ny fahasalamana : nankalaza ny fetin’i Masindahy Lioka ny miaramila
Toy ny fanao isan-taona, nankalaza ny fetin’i Masindahy Lioka mpiahy azy ireo ny mpiantsehatra eo amin’ny tontolon’ny fitsaboana eo anivon’ny Foloalindahy Malagasy, ny zoma teo. Nomarihina tamin’ny hetsika maro izany ka natomboka tamin’ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana tao amin’ny Chapelle Militaire Ampahibe. Niara-nivavaka tamin’izany ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga eo anivon’ny minisitera sy ny […]
ENSP Ivato : nahazo tohana avy amin’ny firenena Sinoa
Notoloran’ny firenena Sinoa fitaovana ny polisim-pirenena, ka eny amin’ny sekolim-pirenena ambony ho an’ny polisy (ENSP) Ivato no nametrahana izany. Nitsidika ny sekoly izy ireo, omaly, nijery ny hampiasana ireto fitaovana ireto. Nisy, araka izany, ny fampitaovana ny laboratoara ara-pitsarana elektronika ka delegasiona Sinoa avy amin’ ny minisiteran’ny Varotra, notarihin’ny tale […]