Fiaraha-monina

Oniversiten’Antananarivo : Nomena mariboninahitra ny mpiasa

Notolorana mariboninahitra ny mpampianatra sy mpandraharaha mendrika teny Ankatso, tamin’ity herinandro ity, izay tafiditra amin’ny fankalazana ny faha-65 taona niorenan’ny oniversite teto Antananarivo. Anisan’ny karazany nomena ireo nahazo izany ny Grand croix 2ème ordre, Grand officier, officier ary Commandeur. Mpampianatra 43 sy mpan­draharaha 124 no nisitraka izany, araka ny fanazavan’ny […]

Cisco Toamasina I-II: Nanomboka ny cours maimaimpoana

Nosokafan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina, sy ny mpandrindran’ny fikambanana Fanjiry, izay fikambanana naorin’ny vadin’ny filohan’ny Fanavaozana ny “Cours maimaimpoana” ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE, BEPC ary bakalorea ao amin’ny Cisco Toamasina I sy Cisco Toamasina II, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hanohanana […]

Fanelezana vaovao diso : “Manohitohina ny filaminam-bahoaka”, hoy ny polisim-pirenena

Nomarihina omaly ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. “Mpiray ombon’antoka amin’ny fitandroam-pilaminana ny mpanao gazety”, hoy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, Inspecteur Général de Police Erick Michel . Nitondra ny heviny sy nizara ny traikefany ma­hakasika ny asa fanaovan-gazety ny polism-pirenena. Tafiditra tamin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena momba ny fahalalahan’ity asa ity izany. […]

Toamasina : Faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana

Ny tamin’ny alatsinainy monja, trangam-panafihana mitam-piadiana roa no niseho teto Toamasina sy ny manodidina ary samy nandratrana olona sy nahavoaroba fanan’olona tsy manan-tsiny avokoa. Efa sokajian’ny mpanara-baovao ho mirehitra mena ny mari-pamantarana momba ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina. Mandry an-driran’antsy ny vahoaka. Tranga voalohany ny alatsinainy 27 avrily, ny tao […]

INDRAY MIJERY

Namangy ny Dren Atsinanana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina, omaly. Nanohana sy nanara-maso ny fanarenana ireo fotodrafitrasa an-tsekoly rava taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani ny tenany. Sekoly maromaro ao amin’ny Cisco Toamasina I sy II no voatsidika tamin’izany. Sekoly efatra ao amin’ny Cisco Antsirabe I sy II no nisitraka […]