Ao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana, ny minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Anisan’ireo mpisehatra lehibe amin’ny fikarohana momba ny tontolo iainana eto Madagasikara izy ireo. Miara-miasa ihany koa amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy hanatanteraka ny hetsika mitondra ny lohateny hoe: […]
Fiaraha-monina
Hisorohana ny areti-mifindra : CSB 1 000 nisitraka fitaovana
Nanome fitaovana ilain’ireo tobim-pahasalamana manerana an’i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny tetikasa MCGL, i Etazonia. Nahitana lamba azo averina ampiasaina hisorohana ny areti-mifindra, ho an’ny tobim-pahasalamana fototra (CSB) miisa 1 000 izany. Manampy izay ny lamba tsy afaka averina ampiasaina ho an’ny hopitaly miisa 35 miampy ireo fitaovana natolotra. Eo koa ny fitaovam-piasana […]
Cité Ambohipo : Naato ireo fanorenana tsy ara-dalàna
Manohy ny asa fampitsaharana ireo fanorenana tsy ara-dalàna ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Naato avy hatrany ireo trano miorina tsy manana fahazoan-dalàna eny Ambohipo, izay tafiditra ao anatin’ny faritra fonenan’ny mpianatra, omaly. Nandritra ny fidinan’ny filohan’ny delagasionina manokana teny Ankatso sy Ambohipo, ny zoma lasa teo, no nahitana ireo fanorenana tsy […]
Oniversitem-panjakana enina : Notoloran’ny Koreanina fitaovana informatika
Notontosaina omaly, teny Fiadanana, ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny fanjakana koreanina ho fanatsarana ny fampianarana niomerika. Nanolotra fitaovana informatika mitentina 400 000 dolara ho an’ny oniversite enina eto Madagasikara ny masoivoho koreanina miasa eto Madagasikara, omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny minisiteran’ny Fampianarana […]
IPM : Nohamafisina ny fahaizan’ny ekipan’ny BMH
Nanao tatitra ny fampiofanana nomena ny ekipan’ny BMH Isotry ny Institut pasteur de Madagascar (IPM). Tamin’ ny alalan’ny sampana virologie no nanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo matihanina mpandrakitra ireo fahafatesana vokatry ny aretin’ny taovam-pisefoana mahery vaika tao an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny fanaraha-maso ny gripa sy ireo tsimokaretina hafa amin’ny taovam-pisefoana mety hiteraka […]




