Fiaraha-monina

Tao anatin’ny herinandro : namono olona ny Covid-19

Ny herinandron’ny 5 fe­broary hatramin’ny 3 marsa teo, olona iray no matin’ny Covid-19, raha ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam- bahoaka. Nahitana trangan’ aretina vaovao miisa 24 ihany koa voamarina teny amin’ny tobim-pahasalamana. Nahatratra 1.190 ireo natao fitiliana rehefa nahiahiana ka ireo 24 ireo no voaporofo fa voan’ny Covid-19. Tsy mbola […]

Fampiasana fanafody : nodinihina tany Maroc, ireo mety ho vokatra tsy irina

Ny 2 sy ny 3 marsa teo, nandray anjara tamin’ny fifanakalozan-kevitra eo anivon’ i Afrika tany Rabat, Maroc i Madagasikara. Ni­ompana tamin’ny fanaraha-maso ny vokatra tsy irina azo avy amin’ny fampiasana fanafody ny adihevitra. Tafiditra ao anatin’ny fanaraha-maso ny vokatra tsy irina azo avy amin’ny fampiasana fanafody ny siansa sy […]

rivodoza freddy : miha manalavitra ny morontsiraka atsimo

Tany amin’ny130 km atsimo andrefan’i Toliara no misy ny foiben’ny rivodoza Freddy, omaly tamin’ny 3 ora tolakandro. 90 km isan’ ora ny herin’ny rivotra hoentiny ary tafiotra hatramin’ny 125 km isan’ora. Mianan­drefana somary atsimo an­drefana ny diany amin’ny hafainganam-pandeha 5 km isan’ora. “Raha ny fizotrany dia manalavitra miadana ny morontsiraka […]

Fampivoarana ny andriambavilanitra : vehivavy 460 niofana momba ny fikarakarana sakafo

Vehivavy mahaleo tena sy antoky ny fampandrosoana no tanjon’ny fampiofanana tan­terahina eny Iavoloha. Mahay mahandro karazan-tsakafo izy ireo manomboka eto ary hanokatra ny tsenany manokana rehefa nahazo fiofanana. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana sahady ny andron’ny vehivavy ny hetsika ara-piofanana andraisan’ireo andriambavilanitra anjara amin’ny foibem-piofanana maro eto Atananarivo. Ny faran’ny herinandro […]