Mitaraina noho ny fisian’ny mpiasa manao kolikoly ao amin’ny kaominina amin’ny mpivarotra amoron-dalana. Mpiasa vitsivitsy ao amin’ny Lapan’ny tanàna no manao izany fanararaom-pahefana. Betsaka ireo mpivarotra amoron-dalana izay mahazo mivarotra eny amin’ny sisin-dalana fa ny an’iretsy mpivarotra eo Ambatomena ambanin’ny Maosoivoho Frantsay no niharan’ity fanesorana tsy ara-dariny ity. Nandoa vola […]
Fiaraha-monina
Forum des métiers : tsara ny misafidy ny sampam-pianarana harahina
Ahitana hetsika «Forum des métiers » anio maraina, eny amin’ny Lycée Fanavotana Antsalovana 67 ha. Karakarain’ny Promotion Daholo, andiany fahavalo eo anivon’ny sekoly. Natokana ho an’ireo mpianatra hanala ny fanadinam-panjakana bakalorea izany. Tanjona ny hampahafantatra sy hampisehoana ireo karazana sampam-pianarana tsara sy mety ho an’ireo mpianatra rehefa eny amin’ny ambaratonga ambony. […]
Tsenan’Analakely: manaiky ny fisian’ny SMGD ny mpivarotra rehetra
Ho fandravonana ny olana misy eo amin’ny samy mpivarotra, hotontosaina ny fifidianana izay ho filohan’ny birao vaovao hitantana ny mpivarotra eny Analakely. Nahatratra 345 isa ny mpivarotra ao anaty lisi-pifidianana. Miisa 345 ireo mpivarotra ara-dalàna voasoratra anarana hiatrika ny fifidianana. Resy lahatra amin’ny fisian’ny SMGD ireo mpivarotra mpanohitra taloha. Hotanterahina […]
Toetr’andro : ho betsaka ny orana manomboka rahampitso
Ho betsaka ny rotsak’orana amin’ny faritra sy distrika maro eto Madagasikara manomboka ny zoma izao. Vinavinaina hatramin’ny alatsinainy hoavy izao izany, araka ny fampitam-baovaon’ny sampana foibe mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Mety hiteraka fiakaran’ny rano miandrona sy ny renirano izany. Nahazo fampitandremana ny faritra maro eto amin’ ny Nosy manoloana […]
Minisiteran’ny FahasalamaNA : misy lamina ny momba ireo mpiasan’ny CTC
Niresaka tamin’ny mpanao gazety ny avy eo anivon’ ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Nanambara fa mijoro ho raiamandreny ary miantso fitoniana izy ireo, manoloana ny fitakiana nataon’ireo mpiasa teo anivon’ny CTC teny Ambohidahy, afakomaly. “Efa niasa foana ireo mpiasa nitokona ireo ary efa nahazo ny “poste budgétaire” avy amin’ny fitondram-panjakana”, hoy […]




