Sahirana amin’ny sakafo ny mponina ao amin’ny distrikan’i Vangaindrano taorian’ny fandalovan’ny rivodoza farany teo. Hidina any an-toerana ny ekipan’ny BNGRC hitondra vary hamonjena azy ireo. Hanainga amin’ny herinandro ambony ny fiara hitondra sakafo ho an’ireo fianakaviana tratran’ny hanoanana ao amin’ ny distrikan’i Vangaindrano, araka ny fanambaran’ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Andriakaja […]
Fiaraha-monina
Natomboka tamin’ny fambolen-kazo: 15 taona ny fikambanan’ny mpanao gazety Toamasina
Nisokatra ny 21 avrily lasa teo, tamin’ny fambolena zanakazo, teo anoloan’ny Crjs sy CEG Ratsimilaho sy fitokanana tsangambato manamarika ny tsingerintaona faha-15 taona niorenan’ny fikambanan’ny mpanao gazety Toamasina (A.J.T). Nitarika ny hetsika ny filohany, Sabotsy José, izay solontena maharitry ny gazety Taratra ao Toamasina. Nisy ny fanentanana hitsirihan’ny olom-pirenena ny […]
Nandritra ny Covid-19 : zaza 300 000 tsy vita vaksiny
Nandritra ny fisehoan’ny valanaretina Covid-19 (2019-2021), nihena ny isan’ny ankizy vita vaksiny noho ny antony maro tany amin’ny firenena 112 maneran-tany. Mahatratra 67 tapitrisa ireo zaza tsy nahazo ny vaksiny miaro azy amin’ny aretina azo sorohana. Vokatr’izay, nitombo avo roa heny ny trangana kitrotro ny taona 2022 raha mitaha ny […]
Fanorenana efitranon-tsekoly – Paeb: nosafidiana ireo Cisco ambany ny fahavitan’ny mpianatra ny T5
Maromaro ny antony mahatonga ny ankizy any ambanivohitra tsy mahatody hatramin’ny kilasy T5 dia miala an-daharana. Voalohany ny tsy fahampian-tsakafo ka miantehitra amin’ny sakafo zaraina any an-dakilasy ny mpianatra isan’andro. Eo koa ny fahalaviran’ny toeram-pianarana ka voatery mandeha an-tongotra maharitra na miditra kaominina mihitsy rehefa miakatra ny ambaratonga (CEG na […]
Boriborintany V: nanampy ny mponina ny tolotra ara-pahasalamana
Maherin’ny 600 ireo olona noraisina an-tanana nandritra ny hetsika ara-pahasalamana notanterahin’ny CUA teny amin’ny fokontany Ambatomaro Antsobolo, ao anatin’ny boriborintany V, tamin’iny herinandro iny. Nidina teny an-toerana ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, nampahery ny vahoaka hazoto sy ho saropiaro amin’ny fahasalamana. Nampiavaka ny hetsika teny an-toerana ny fiarahana tamin’ireo federasionan’ny […]





