Notolorana mari-pankasitrahana, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ireo mpianatra 3 avy amin’ny CEG eto Antananarivo. Solontena avy amin’ny CEG etsy Analamahitsy, Antanimena ary Avaradoha izy ireo. Voafantina tamin’ny fifaninanana tononkalo manentana ny olona mba hanana fitondran-tena mendrika amin’ny fikajiana ny rano sy ny fahadiovana. Tonga nanolotra izany teny an-toerana […]
Fiaraha-monina
Cisco Avaradrano : hotanterahina ny 2 mey ny CEPE andrana voalohany
Eo am-piomanana amin’ny fiatrehana ny fanadinana CEPE sy BEPC ny tomponandraikitry ny fanabeazana eto amintsika amin’izao fotoana izao. Tanterahina ao anatin’ny roa volana fahadimy ny andrana ho an’ny fanadinam-panjakana roa. Telo ny CEPE andrana karakarain’ny Cisco Avaradrano amin’ity taona ity mialoha ny hiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE, ny 20 jona ho […]
Ambohimanambola : mihatra ny « couvre-feu »
Namoaka didy ny kaominina Ambohimanambola fa mihatra ny « couvre-feu » na tsy fahafahana mivezivezy mandritra ny fotoana voafetra, nanomboka omaly. Noraisina izany fanapahan-kevitra izany noho ny tsy fandriampahalemana nisesy tao an-toerana. Tsy azo atao, araka izany, ny mivezivezy ao anatin’ny kaominina Ambohimanambola manomboka amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 3 ora maraina. Ireo […]
Firenena 4 anatin’ny COI: hamafisina ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza
Manao atrikasa mandritra ny hateloana eto Madagasikara ny firenena 4 ao anatin’ny vondron’ny ranomasimbe indianina : Madagasikara, Maurice, Comores ary Seychelles momba ny fanamafisana ny fahazai-miatrika sy ny fitantanana ny asa rehefa misy loza na voina aty amin’ny ranomasina indianina. Tanjon’ny fihaonana ny fanombanana ny fandrosoan’ny fandaharanasa iraisan’ny firenena mpikambana sy […]
Fikambanana Malaza ny Gasy : ankizy sahirana 5 500 raisina an-tanana
Mahatratra 5500 ireo ankizy sahirana raisin’ny fikambanana Malaza ny Gasy an-tanana manerana ny Nosy. Mahatratra 250 ireo mpanabe mampianatra azy ireo. Manampy sy mampianatra ireo ankizy sy tanora sahirana manerana ny Nosy, indrindra ny ankizy kere any amin’ny faritra Atsimo ny fikambanana, amin’ny alalan’ny “Ecole de la chance”. “Mbola misedra olana ny […]





