Manampy ny mpianatra hisafidy ny sokajy sy ny lalam-piofanana horantovina eny amin’ny oniversite, ny fandaharanasa “Ny asako rahampitso”, raha ny fanazavan’ny proviseur eo anivon’ny Lycée Jean Joseph Rabearivelo Analakely, Rakotomalala Holy, raha nanontaniana, omaly. Andiany faha 15 ny hetsika, karakarain’ny Rotary club Ainga eto Antananarivo. “Tombony betsaka amin’ny fandaharanasa toy […]
Fiaraha-monina
CUA- kaominina Ambohimangakely : niara-nanadio ny lalana “Rocade Iarivo”
Nisy ny fanadiovana faobe ny lalana “Rocade Iarivo”, nanomboka etsy amin’ny Rond-point Andranobevava, Nanisana, hatrany Ambohimangakely Amoronakona, omaly. Fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny kaominina Ambohimangakely no nahatontosana izany. Niaraka nifarimbona ny mpanadio lalana avy amin’ny kaominina roa tonta satria toerana itambarana iny. Nandritra ny fiaraha-miasa teny an-toerana, […]
BEPC- Cisco Atsimondrano : hanomboka ny 2 mey ny adina fanatanjahantena
Efa hiroso amin’ny fanatanterahana ny adina fanatanjahantena ny Cisco eto Antananarivo amin’ny herinandro ambony. Manana foibem-panadinana telo ny Cisco Atsimondrano, ho an’ny taranja fanatanjahantena adina BEPC, amin’ity taona ity: Andoharanofotsy, Faliarivo Ampitatafika ary Andranonahoatra. Hosantarina ny 2 mey ho avy izao ny fandraisana ny mpiadina eny amin’ny foibem-panadinana Andoharanofotsy ary […]
Rio Tinto QMM – FMFP : manome tosika ny tanora any amin’ny faritra Anosy
Nisitraka atrikasa fanatsarana ny fahaiza- manaony ireo tanora any amin’ny faritra Anosy, ny herinandro teo. Niompana tamin’ny indostria, asa maitso, toekarena manga ary nomerika ny fampiofanana. Tetikasa niarahana tamin’ny mpiara-miombon’ antoka Rio Tinto QMM (QIT Madagascar Minerals) sy ny FMFP (Fonds Malgache de Formation Professionnelle). Nahazo vahana sy nomena lanja […]
Fahasalamana : mbola mamely amin’ny faritra maro ny tazomoka
Notanterahina tany amin’ ny faritra Melaky, omaly, ny fanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina tazomoka ho an’i Madagasikara. “Fotoana izao hanafoanana ny tazomoka, milofosa, mitadiava paikady vaovao, miasa” no lohahevitra novoizina nandritra ny fanamarihana. Raha ny antontanisa navoakan’ny minisiteran’ny Fahasalamana dia 543.994 ny trangana tazomoka tao anatin’ ny dimy […]





