Tsy manaiky ny hanaovana ny vaksiny any an-tsekoly ny tsy miankina. Betsaka koa ny ray aman-dreny tsy marisika. Vokany, naverina ny lamina amin’ny fitetezana any an-tokantrano. Ho fanomanana ny fanatanterahana ny hetsika fanaovam-baksiny faobe hiarovana amin’ny aretina kitrotro sy poliomelita eny anivon’ny sekoly, efa nitafa sy nanentana mialoha ny talen-tsekoly […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
4 mianadahy ireo Fulbright English Teaching Assistants (Etas) tonga eto Madagasikara. Manampy ireo tanora amerikanina vao nahavita ny fianarany tamin’ny ambaratonga ambony na koa ireo vao miditra amin’ny sehatry ny asa fampianarana ny Etas. Mandritra ny sivy volana no hanatontosany izany amin’ny sekoly sy oniversite samihafa maneran-tany. Miara-miasa amin’ireo mpampianatra […]
CHU Anosiala: nitombo ny tahan’ny olona tapaka lalandra
Nisongadina ny fiakaran’ny tahan’ny olona tratran’ny fahatapahana lalandra na AVC tamin’ny volana septambra, tao amin’ny CHU Anosiala, araka voalazan’ny tompondraikitra . Mihamaro ihany koa ny tanora tratry ny aretina. Tsy tokony hovarimbariana na mangataka andro lava, araka izany, ireo manana tosidra avo. Ilaina ny fanatonana dokotera sy manaraka ny toromarika […]
Fanabeazana sy kolontsaina : mamolavola olom-banona sy vonona
Mifameno sy mifampiankina ny kolontsaina sy ny fanabeazana, araka ny fanazana nentin’Andrianamelasoa Fahombiazana, mpanabe sy mpitarika tanora. “Nohariana hanana vatana saina fanahy ny olombelona. Tombony kosa ny fananantsika fivelanran-tsaina bebe kokoa. Ny fanabeazana dia manondro ireo dingana arahina hahazoan’ny olona fahalalana, fahaiza-manao, soatoavina sy fahaiza-miaina. Sehatra famolavolana olona hahaleo tena […]
Fampianarana teknika: mila fanavaozana ny fotodrafitrasa sy ny tolotra fampiofanana
Efa antitra ny fotodrafitrasan’ny sekoly fampianarana sy ny fanofanana teknika. Mila fanavaozana sy ampanarahana fenitra izy ireny hamaly ny filan’ny sehatr’asa amin’izao fotoana. Mikaondoha momba izany ny mpiara-miombon’antoka. Nihaona tetsy Anosy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra miantsehatra eo amin’ny fampianarana teknika sy ny fiofanana arakasa, omaly. Nikaondoha mahakasika ny fampandrosoana ny fampianarana […]