Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Notanterahina tamin’ny boriborintany eto Anta­nanarivo ny fizarana fanampiana sakafo ho an’ireo fianakaviana marefo vokatry ny fandalovan’ny rivodoza nifanesy. Nisy ny fiakaran’ny rano tany amin’ireo toerana sasany eto an-drenivohitra, ny herinandro teo. Vary sy biscuit fortifiant no nozaraina tamin’ireo traboina, hanamaivanana ny fahasahiranana atrehiny. Tokatrano miisa 421 ao anatin’ny distrika Tana […]

Andron’ny vehivavy : Hanetriketrika ny hetsika eto Antananarivo

Hotanterahina eto Anta­nanarivo ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. « Ny vehivavy, hery iray ho an’ny fanavaozana ny firenena » no lohahevitra voizina mandritra ny fankalazana izay mifanaraka amin’ny lohahevitra iraisam-pirenena napetraky ny ONU : Zo rariny, fandraisana andraikitry ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra. Maro an’isa ny vehivavy […]

Fanofanana momba ny rano: Natokana ho an’ny sam-pam-pampianarana dimy

Nampahafantarina, omaly, teny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo, ny tolotra fanofanana hahazoana mari-pahaizana « Master en Gestion et traitement de l’eau » sy ny « Science eau et énergie ». Tetikasa nivoaka tamin’ny fandaharanasa « Erasmus plus » iantohan’ny Vondrona eoropeanina amin’ny alalan’ny Oniversite efatra dia ny Limoges, Roumanie, Belgique ary La Réunion izany. Nahazo tombontsoa ny sampam-pianarana […]

Fisitrahana zo ara-pananahana : Nanamafy ny fanoloran-tenany ireo mpiantsehatra

Mitaky ezaka betsaka amin’ny ankolafin-kery marolafy ny fampisitrahana ny zo ara-pananahana raha ny eto Madagasikara. Nanamafy ny fahavononany ireo mpiantsehatra. Natao teny Ivandry, tamin’ity herinandro ity, ny sonia fanamafisana ny fanoloran-tena momba ny fanatrarana ny ezaka amin’ny fisitrahana ny zo ho salama ara-pananahana ho an’ny vehivavy. Nodinihina lalina ireo paikady […]

INDRAY MIJERY

Ho fanamafisana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo , indrindra taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tao Toamasina, nomena fiofanana mahakasika ny fitiliana sy fandraisana an-tanana izany ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpanentana eny ifotony ao anatin’ny SDSP Toamasina I. Nohamafisina manokana ihany koa ny fanaovam-baksiny mba hisorohana ireo aretina azo sorohana. Notontosaina […]