Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Ewetse no anaran’ilay rivodoza niditra ao Itam­polo, Ampanihy, omaly tolakandro. Nihena ny heriny ka vinavinaina ho levona an-tanety. Mitondra rotsakorana mitohy amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny ny rahona miaraka aminy. Iangaviana ny mponina voakasika mba ho mailo satria mety hiteraka ranotrambo sy/na fiaka­ran’ny renirano izany. Ho fanamafisana ny ady amin’ny […]

Voka-pikarohana: Hapetraka ny ivontoerana hamatsy vola

Notanterahina teny amin’ ny primatiora, Lapan’i Maha­zoarivo, omaly, ny fanaovana sonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisitera dimy momba ny lohahevitra avy amin’ny fikarohana mankany amin’ny fiantraikany. Fiaraha-miasa stratejika ho an’ny fanavaozana sy fahaleovantena ara-toekarena ho an’i Madagasikara. “Tanjona ny hamadika ny voka-pikarohana ho fitaovana mivantana amin’ny famoro­nana asa. Haivao hitondra […]

Fampianarana: Nivoaka ny tetiandrom-panadinana vaovao

Nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny talata lasa teo, no nampitana ny tetiandron’ny fanadinam-panjakana nasiam-panovana. Hotanterahina ny talata 16 jona 2026 ny fanadinana CEPE manerana ny Nosy. Ny 6 jolay hatramin’ny 9 jolay kosa ny BEPC. Hotanterahina ny 20 jolay hatramin’ny 24 jolay ny fanadinana bakalorea ankapobeny. Mifanindran-dalana amin’izay ny […]

Fiatrehana loza sy tandindon-doza: Mahazaka 1 000t ny fanatobiana entana ao Manakara

Tao anatin’ny dimy taona, nanokana vola 29,4 tapitrisa euros ny Vondrona eoropeanina hanohanana ny Pam sy ny fanjakana malagasy ho fiahiana ny maha olona. Anisan’izany ny fametrahana ivontoerana lehibe vaovao fitehiri­zana entana ao Manakara, hanamorana ny fiomanana mialoha manoloana ny loza sy ny tandindon-doza. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny […]

OniveRsiten’Antananarivo : Nohavaozina ny laboratoara fianarana teny japoney

Vita ny fanavaozana ny laboratoara ho an’ny fianarana teny japoney eny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo ary notokanana tamin’ity herinandro ity, teny Ankatso. Tafiditra amin’ny fanohanana tetikasa madinika vita sonia ny taona 2025 ny asa fanavaozana, mitentina 331 tapitrisa Ar. Zava-dehibe ho an’ny fianarana teny japoney ny fisian’ny laboratoara nanomboka ny taona […]