Ho fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zatovovavy, nanao fanadihadina momba ny zava-misy mahakasika azy ireo ny Unicef, tamin’ny alalan’ny «plateforme U-Report». Miompana amin’ny hevitr’izy ireo momba ny miralenta, ny fahafantarany sy ny fampiharana ny zony ny fanadihadiana notanterahina. 18 tapitrisa no isan’ny zatovovavy latsaky ny 20 taona eto amintsika. […]
Fiaraha-monina
Sambava: Zokiolona 1 500 nizarana fehezan-karona
Natao tany Sambava, faritra Sava, ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona. Nitarika izany ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, tamin’ity herinandro ity. «Zokiolona malagasy mandroso hasina, manatsara ny hoavin’ny taranaka» no nezahina novoizina nandritra ny hetsika. Ankoatra ny fifampizarana traikefa sy fanentanana samihafa, nisy ny […]
«QG Tanora» etsy Ankorondrano: Ivontoerana ahafahan’ny zatovo mivelatra amin’ny lafiny rehetra
Tetikasa iarahan’ny minisiteran’ny Tanora, ny UNFPA, ny OIT ary ny fanjakana norvezianina ny fametrahana ny QG etsy Ankorondrano. Sehatra ahazoana mianatra, mikaroka, mifanakalo traikefa, mijery tolotrasa samihafa. Notokanana omaly, teny Ankorondrano, ao anatin’ny ivontoeran’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny QG Tanora na foiben-toerana natokana ho an’ny tanora. «Sehatra iray ahazoan’izy […]
Seranam-piaramanidina Ivato : azo antoka ny famatsian-drano
Miandraikitra ny famatsian-drano ireo fiaramanidina miainga eny amin’ny seranana iraisam-pirenena Ivato Antananarivo ny orinasa MGH. Nandray fepetra ity orinasa ity mba tsy hiantraika any amin’ny kalitaon’ny tolotra omena ireo kaompania vahiny. Manome toky ny MGH fa azo antoka hatrany ny famatsian-drano fisotro any anaty fiaramanidina ho an’ireo kaompania miainga eny […]
INDRAY MIJERY
Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny fividianana ireo fanafody sy kojakojam-pitsaboana ao anatin’ny fifanarahana Salama. Tafiditra amin’izany ny fanafody sy ny kojakoja rehetra ampiasaina eny amin’ny CSB sy ny hopitalim-panjakana ary ny fitaovana eny amin’ny laboratoara sy ny toeram-pitarafana. Nanolotra tobin-drano (citerne) mahazaka 1 000 litatra miisa roa hoentina […]