Fiaraha-monina

Fandaharanasa « Toamasina Miarina » : « Mizotra miandalana ny asa », hoy ny MSP

Nidina ifotony nijery sy nanara-maso ny fanatanterahana ny fandaharanasa « Toa­masina Miarina », taorian’ny rivodoza, ny minisitry ny Fila­minam-bahoaka (MSP), Erick Michel. Mizotra miandalana ny asa efa natomboka, ho fanarenana ny takaitra navelan’ny rivodoza ao amin’ny faritra Atsinanana. Miompana bebe kokoa amin’ny fitsinjovana ny maha olona izany amin’izao fiandohany izao. Misy ny […]

Mpampivelona : Entanina hiditra anaty holafitra

Nandritra ny fihaonamben’ny mpampivelona, ny faran’ny herinandro teo, no nanaovana antso avo ny hidiran’izy ireo anatin’ny holafitra, hiarovana azy ireo amin’ny asany sy hidirany anaty rafitra ara-dalàna. “Takin’ny lalàna mihitsy ny fidirana anaty holafitra mialoha ny hanatanterahana ny asa no sady fiarovana azy ireo raha sendra olana any am-panatanterahana ny […]

Fanadihadiana an-tokantrano-MICS 7 : Mampanahy ny fanabeazana, faha­sa­lamana ary ny fanjarian-tsakafo

Natolotra omaly, teny Alarobia, ny valin’ny fanadihadiana notontosaina teny anivon’ny tokantrano mahakasika ny zo sy ny filana fototra ho an’ny ankizy sy ny vehivavy (MICS fahafito). Ahafantarana ny zava-misy amin’ny lafiny sosialy, indrindra ny ankizy sy ny vehivavy, ny fanadihadiana. Ahafahana mandray fanapahan-kevitra sy mametraka paikady entina manatsara ny fiainan’ny […]

Famelomana aina-CHU JRA : Olona 2 000 isan-taona karakaraina ao

Nitondra fanazavana mo­mba ny sampandraharaha famelomana aina, ao amin’ny rihana voalohany, ao amin’ny CHU JRA, ny profesora Rajaonera Andriambelo Tovo­hery, lehiben’ity sampandraharaha ity. Isan-taona, manodidina ny 2 000 ireo olona avy nodidiana sahanin’ny sampandraharaha. Manodidina ny 2 500 kosa ireo olona atao fizahana mialoha ny handidina azy. Mandray ireo olona […]

INDRAY MIJERY

Nitsidika ny CTI (Centre de traitement et d’isolement) etsy Andohatapenaka, niaraka tamin’ireo teknisianina ao amin’ny Cousp (Centre des opérations d’urgence de santé publique), ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra vahaolana haingana hahatomombana ny fandraisana ireo marary ny tenany. 12 ireo marary voamarina ary 4 ahina tsaboina eny […]