Fiaraha-monina

oniversite tsy miankina : Hisy ny fakan-kevitra

Miantso ireo tompon’andraikitra avy amin’ny toeram-pampianarana ambaratonga ambony tsy miankina amin’ny fanjakana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika amin’ny dinika ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana. Hotanterahina ny 24 avrily izao izany eny amin’ny efitrano fivorian’ny minisitera eto Antananarivo. Solontena roa isaky ny toeram-piofanana no andrasana ka tokony handray […]

Sandan’ny fanaovam-baksiny: Andrasana ny didy fampiharana ny lalàna 2016-058

Nanao adisisika momba ny tetibolan’ny vaksiny ny firaisamonim-pirenena, nandritra ny telo taona. Nahitam-bokany izany ka tafakatra 23 miliara Ar izany amin’ity taona ity. Mahatratra 15 tapitrisa dolara isan-taona ny vola atokan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ho an’ny vaksiny. Vola avy amin’ny fanjakana ny 5 tapitrisa dolara ary omen’ny mpiray ombon’antoka kosa ny […]

INDRAY MIJERY

Raha ny salanisa ny taona 2025, nivoaka nandritra ny tatitra momba ny ady amin’ny famarinana olombelona, nahatratra 241 ireo olona voasakana teny amin’ny seranam-piaramanidina noho ny fanahiana amin’ny famarinana olombelona na fanandevozana moderina sy fanararaotana. Nandritra ny lahateny nataon’ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, Profesora Randrianasolo Rivoarison, tamin’ny fananganan-tsaina ny alatsinainy teo, nambarany […]

Eto Madagasikara : Zaza iray amin’ny 10 000 no teraka hémophilie

Homarihina rahampitso, ao amin’ny CHUJRA ny Andro maneran-tany ho an’ny hémophilie na ny fijinihan-dra lava, iarahana amin’ny minisiteran’ ny Fahasalamam-bahoaka sy ny ivontoeram-pitsaboana ny Hémophilie eto Madagasikara (CTH-Mada) ary ny fikambanan’ny marary hemophile (ABEHM). Aretin’ny ra, vokatry ny tsy fahampiana singa mampivaingana ny ra ka mahatonga ny olona iray handeha […]

Fitsaboana homamiadana: Nahazo fitaovana ny Cenhosoa

Fitaovana ampiasaina amin’ny fitsaboana ny homamia­dana no azon’ny hopitaly Cenhosoa ny herinandro teo hanampy ireo efa ao an-toerana. Ny vola voaangona tamin’ ny hetsika “Gratitude en chanson” no nahafahan’ny malala-tanana nanolotra ireo fitaovana. Miisa 10 ireo karazana fitaovana natolotra toy ny “Déam­bulateur, Pousse-seringue électrique, Bassin de lit, Matelas anti-escarre, Chaise […]