Fiaraha-monina

Tetikasa Tafaray: Ho fanajana ireo mpiasan’ny fahasalamana eny amin’ny CSB

Mba hampaharitra ny fitaovana ara-medikaly ampiasaina eny amin’ny CSB dia nomena fiofanana ireo mpikirakira sy mpikojakoja ireny fitaovana ireny . Hampanarahana ny fivoaran’ny fitaovana ny fahaizan’izy ireo. Fitantanana mirindra sy fampahafantarana ny fikojakoja ny fitaovana amin’ireny CSB ireny mba ho tena hositrahan’ny vahoaka eny ifotony. Io no fiofanana omena ireo […]

Africa Summit Education 2026 : Namiratra ny Malagasy mpampianatra

Andiany fahefatra ny Africa Summit Education 2026 natao tany Accra, any Ghana, ny 19 hatramin’ny 21 martsa teo. Nisongadina ny Malagasy mpampianatra tamin’izany. Noraisin’ny minisitra telo tonta ireto Malagasy mpampianatra nanandratra avo ny hasin’ny fampianarana sy ny fanabeazana eto Madagasikara ireto, ny alatsinainy teo. Anisan’ izany ny Pr Rejo-Fienena Félicitée, […]

Croix Rouge Malagasy: Maro ireo mahafehy ny fiatrehana ny loza

Nanao tombana ny Croix Rouge Malagasy (CRM) nandritra ny atrikasa nataony. Tao anatin’ny roa taona izao dia efa maherin’ny 409 000 ireo olona voakasika ary manana fahavononana hiatrika ny karazana loza mitranga amin’ny andavanandrom-piainana na mandritra ny loza voajanahary. Taorian’ny atrikasa famintinana ny programa fandaharanasa ho an’ny fiomanana sy faharetana […]

Hetsika « Vonje Longo » any Atsimo: Tokantrano 1859 nisitraka tohana ara-tsakafo tao Tsihombe

Vary, menaka, voamaina, koba aina… Ireo ny tohana ara-tsakafo zaraina any atsimon’ny Nosy ao anatin’ilay hetsika « Vonje Longo ». Nisitraka izany ireo tokantrano 1859 tao Tsihombe tamin’ity herinandro ity. Anisan’ny faritra iharan’ny fiovaovan’ny toetry ny andro mivaivay ny any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Hain-tany mandavan-taona ka tsy hahafahan’ny olona […]

INDRAY MIJERY

Tetsy amin’ny “Lycée Moderne” Ampefiloha no nanatanteraka ny fananganan-tsaina omaly ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Notolorana fankasitrahana ireo mpianatra miisa 50 izay nandray anjara feno tamin’ny fankalazana ny fahatsiarovana ny 29 marsa 1947. Nihaino ny hetahetan’ny mpampianatra sy mpandraharaha ao amin’ity sekoly ity ihany koa ny minisitra ary nanolotra “vidéo-projecteur” miisa […]