Aleo tara toy izay tsy misy, hoy ny fiteny mahazatra an-dRamalagasy sy ny moramorany. Tsy takona hafenina toa vay an-kandrina ny toetra mpanao alasafay anaty fikoropahana. Raikitra ny fanamboaran-dalana. Mandeha ny fambolena voninkazo eny amin’ny zaridaina. Tsy misy ny maharatsy azy satria iza no tsy te hiaina miaraka amin’ny […]
Indraimbava
Asa vadidrano
Efa miloko fety sy fifidianana eto an-tanàna, manginy fotsiny ny vakansy. Samy manao izay mahafalifaly ny sainy sy ny fony ny rehetra. Ny lalaon’ny Nosy efa manakaiky. Tsy tonga lafatra ny fanomanana saingy fanamby ny hahavita izany araka ny niheverana azy. Mirongatra ny fanankianana sy ny tsikera, manodidina ny […]
Mora manadino
32 taona sahady ! manamarika ny tantaram-pirenena malagasy ny andron’ny 10 aogositra. Andro izay niarahan’ny rehetra nahalala fa namadika ny pejin’ny tontolo politika teto Madagasikara. Nanomboka tamin’izany fotoana izany no voalaza ho demokratika ny firenena satria nisy ny onjam-peo tsy miankina voalohany teto amintsika. Nahazo vahana ny filazana fa malalaka […]
Am-bava homana !
Mandeha tsara, manaraka ny tetiandro ny savaranonando amin’ny fampielezan-kevitra. Efa eny an-kianja avokoa ny kandidà efa nanambara ampahibemaso ny maha kandidà azy. Toraka izany ny mpanohana aty an-drenivohitra sy ireo nafarana avy any ampita. Samy manana ny paikadiny fa ny itovizany dia mikendry ny tanora, andaniny. Milalao ny faharefoan’ny […]
Miandry fa Gasy !
Tapitra izay ny telo herinandro nomena ny minisitry ny Angovo, mahakasika ny delestazy. Andrasana ny fivoaran’ny fahatapahan-jiro sy ny fahasahiana handray fepetra hanasazy izay tomponandraikitra tsy nahavita ny asany. Iaraha-mahalala rahateo fa raha misy ny fitavozavozana amin’izany, ny filohan’ny Repoblika ihany no hizaka ny vokany voalohany. Tsy te hahalala afa-tsy […]