Indraimbava

Miandry andro

  Efa mihetsiketsika ny zaza ao e! Raha ny fantatra, omaly no efa nanomboka ny fijeren’ny praiminisitra ny mahakasika izay olona handrafitra ny governemantany. Mbola nisy ny fandraisana ny antontan-taratasy faramparany ho an’izay vonona, teny Mahazoarivo. Manana eo amin’ny 48 hatamin’ny 96 ora ny lehiben’ny governemanta handefasana izay mahafeno fepetra […]

Ny honohono tsy ihavanana

  Miteraka resabe, eto an-toerana hatrany ivelan’i Madagasikara, ny mahakasika ny Filohan’ny delegasiona manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Efa fotoana maharitraritra izy izay tsy hita popoka. Tsy nandrenesam-peo, tsy hita miasa eny an-kianja. Tsy hay mazava ny zava-misy marina kanefa Antananarivo, fitaratry ny firenena, no resaka eto. Raha ny honohono dia […]

Tan-dalàna… tsara tantana

  Anisan’ny fanambin’ny fitondram-panjakana amin’izao ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Tsy vitan’izany, atao ho anisan’ny andry amin’ny fampandrosoana. Ao anatin’izany ny fanjakana tan-dalàna, ny ady amin’ny kolikoly… Mby aiza? Matoa atrehina manokana izany, tsy mbola tonga amin’izay iheverana azy. Na tsy mbola mety kolontsaina mandeha ho azy ny fanarahan-dalàna. Misy hatrany […]

Ny erikerika mahatondra-drano

Samy manana ny fisainany sy ny fandraisan-javatra ilay Malagasy. Indrisy fa mirona any amin’ny fomba fijery miiba hatrany amin’izay atao ny maro anisa. Raha mandinika ny zava-misy dia tena mahavalalanina hoe, angaha dia tsy misy afa-tsy ny zava-dratsy ary eto amin’ity firenena ity? Tena efa mahavariana sy mahalasa saina. Sarotra […]

Tsy ampy serasera

Niaraha-nahita ny tatitra nataon’ny Bianco, tamin’ny fiandohan’ny herinandro. Mbola manjaka sy aharaisana fitarainana be dia be ny sehatry ny asam-panjakana tena ampiasain’ny vahoaka. Misy minisitera fototra, tsy afa-misaraka amin’ny vahoaka maromaro, tena fositra. Mampihaiky volana ny « fametrahana kely ». Tsy main­tsy vola vao asa! Sady mampalahelo no mahasosotra ny […]